Quantcast
Channel: Faits Divers – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

UCM : «Psychologue » 5 voalohany voaofana teto Madagasikara

$
0
0
ucm

Nampahafantarina omaly tetsy amin’ny  oniversite katolika Ambatoroka (UCM) ny fivoahan’ireo “psychologue” 5 nahavita fianarana sy voaofana voalohany teto Madagasikara. Nianatra nandritra ny dimy taona izy ireo ary nahazo ny diplaoma « Grand Master ».

Miara-miasa amin’ny oniversite Sherbooke any Quebec, Canada ny UCM amin’ny fampianarana ireo mpianatra amin’ity lalam-piofanana “psychologie” ity.

Mbola vitsy rahateo ireo manam-pahaizana manokana momba ny “psychologie” eto Madagasikara. Tena ilaina anefa izy ireny indrindra amin’izao firotoroton’ny fiainana izao. Betsaka ihany koa ireo tratran’ny fikorontanan-tsaina noho ny hamafin’ny fiainana sy ny fisedrana maro.

Tsy mifidy taona intsony ny fikorontanan-tsaina, liana ireo “psychologue” ankehitriny fatratra avokoa na ny tanora ny olon-dehibe. Anisan’ny mila fitsaboana any amin’izy ireny ireo nidonam-pahoriana tampoka, maty vady na zanaka na olona akaiky, olona nivoaka ny fonja, olona narary ela tany amin’ny hopitaly….

Misy ny fampianarana mandritra ny telo taona hahazoana ny diplaoma “Licence” ao amin’ny UCM. Efa andiany fahenina ireo manana izany diplaoma “Licence” izany ho an’ity oniversite ity.

Afaka manampy ireo olona tratran’ny rarin-tsaina, manana olana amin’ny fivelaran-tsaina, olana eo amin’ny ray aman-dreny sy ny zanaka, olan’ny mpivady, tsy filaminan-tsaina tafahoatra vokatry ny  anton-javatra maro… ireo manana izany diplaoma izany.

Nisokatra tamin’ny taona 2014 kosa ny fanitarana ny fampianarana ho dimy taona ka izao nivoaka izao ny andiany voalohany tamin’ireo mpianatra nahavita fianarana. Afaka miantsehatra manampy ireo olona manana olana mavesatra kokoa ireo manana ny diplaoma “Master”. Anisan’izany ny olona voagejan’ny tahotra, voagejan’ny fidorohana zava-mahadomelina, olona tratran’ny famoizam-po sy very fanantenana….

Tatiana A


Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

Trending Articles



<script src="https://jsc.adskeeper.com/r/s/rssing.com.1596347.js" async> </script>