Quantcast
Channel: Faits Divers – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

DHL sy SOS Village d’enfants : mahaliana tanora ny forum de métier

$
0
0
dhl

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy omaly tetsy amin’ny Panorama Andrainarivo ny « Forum de métiers » izay karakarain’ny orinasa  DHL   sy ny SOS Village d’enfants. Hitohy hatramin’ny anio ny hetsika. Lohahevitra voizina ny momba ny famoronana ho an’ny asa amin’ny ho avy.

Tanjon’ny hetsika ny hanokafana ny sain’ny tanora hitodika bebe kokoa amin’ny famoronana asa mba tsy hiankin-doha amin’ny orinasa loatra fa hahaleotena aza. Eo koa ny fihaonan’ny tanora movantana amin’ireo mpandraharaha amin’ny sehatry ny orinasa vaventy sy salantsalany.

Fotoana hahitana ny lalan-kaleha eo amin’ny karazana asa maro izay mitobaka eto amintsika ity “forum de métiers” ity. Anisan’ny kendrena hisitraka izany hetsika izany ireo tanoran’ny SOS Village d’enfants sy ny Lycée, sekoly ambony ary foibem-piofanana miara-miasa amin’ny SOS Village d’enfants rehetra. Misokatra ho an’ny rehetra kosa ny hetsika anio. Hisy ny famelabelaran-kevitra arahina ady hevitra mikasika ny tontolon’ny asa eto Madagasikara. Eo koa ny torohevitra momba ny  fandrefetana antontan-taratasy rehefa hitady asa. Ankoatra izany ny fanangonana ireo CV ho an’ireo izay mitady asa.

Mpanohana ity hetsika ity efa hatramin’ny  taona 2011 ny orinasa DHL. Miara-miasa akaiky amin’ny SOS Village d’enfants ny orinasa amin’ny fanampiana ireo tanora hiditra amin’ny sehatry ny asa.

Mbola mitohy ny fiaraha-miasa amin’ny fampidirana ny tanoran’ny SOS Village  d”enfants hizatra asa ao amin’ny DHL .

Tatiana A


Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

Trending Articles



<script src="https://jsc.adskeeper.com/r/s/rssing.com.1596347.js" async> </script>