
Olona vitsivitsy naratra vokatry ny lozam-piarakodia nitranga teny Ambalavao, omaly antoandro. Fiara Mazda, taksiborosy iray no nilaozan’ny frein, teo amin’ny fidinana hidina ny kaominina ambanivohitra Ambalavao Atsimondrano…
Nivadika tany amin’ny ilany ankavia raha hiakatra aty an-drenivohitra, ity fiara Mazda nilaozan’ny frein tampoka ity. Tsy nahatazona intsony ny frein-n’ny fiara raha hidina amin’ny fidinana miditra ny tanànan’Ambalavao iny. Saika zava-doza no nitranga satria nisy kamiaobe iray nijanona teo akaikin’ny toerana nitrangan’ny loza, saingy afa-niala ity kamiaobe ity ny mpamilin’ilay Mazda. Nisy olona vitsivitsy naratra tamin’ity lozam-piarakodia ity ka nentina avy hatrany tao amin’ny CSB II ao Ambalavao. Tsy nisy kosa ireo namoy ny ainy fa avotra avokoa ireo olona rehetra tao anatin’ilay fiara. Nahitana fahasimbana ny lohan’ilay fiara.
Olana eo amin’ny frein hatrany matetika no mahatonga ny lozam-piarakodia. Tokony harahi-maso tsara ny lafiny ara-teknika rehetra mialoha ny hiaingana mba hialana amin’ny loza toy izao.
Tsy misy afa-tsy ny fitandremana ihany satria tandrevaka kely fotsiny koa dia mety ahitan-doza sy amoizana aina.
Fa tapaka koa ny tongotr’ilay mpitondra môtô voafaokan’ny fiara, teny Anosy, omaly. Voalaza fa vokatry ny fandehanana mafy teo amin’ilay fiara no nahatonga ny loza ka nifatratra avy hatrany tany amin’ilay môtô. Na eo aza ny fitohanan’ny fifamoivoizana, tokony hanara-dalàna koa ny mpitondra môtô. Zary fahazaran-dratsy ho an’ny mpitondra môtô ity misisitsisika any anelanelan’ny fiara ity.
J.C