
Mitaraina ireo olona manana toerana fanaovam-bolo misokatra isan’andro fa manimba fidiram-bola mihitsy ny fahatapahan-jiro, indrindra rehefa zoma sy asabotsy. Amin’ireo andro roa ireo no tena betsaka ny olona manatona hanao volo nefa tsy mandeha ny herinaratra mandritra ny ora efatra na dimy ary tsy miverina raha tsy amin’ny alina, fotoana hidin’ny trano fanaovam-bolo. Ny vidin-jiro anefa isam-bolana, miakatra hatrany na eo aza ny fahatapana matetika misesy mandritra ny andro maromaro ka sahirana vao mahaloa izany ny tompon’ny toeram-pandraisana m aro eto an-dRenivohitra. Ny karaman’ny mpiasa, tsy maintsy efaina ihany satria tonga miasa izy ireo fa ny herinaratra no tapaka matetika.
Tsy ny mpanao volo ihany, voatery ariana ny yaourt sy ny sakafo masaka mora masiso tsy lafo raha tratran’ny fahatapahan-jiro maharitra ho an’ny mpivarotra enta-madinika. « Ny mpaninjara sasany, tsy maka sakafo mila fampangatsiahana mihitsy aloha raha tsy milamina ny herinaratra fa mamono antoka fotsiny », hoy ny fanazavana azo omaly.
Miaina ao anatin’ny zava-misy ny rehetra fa na ny tokantrano tsirairay koa aza, miaritra ny fahatapahan’ny rano sy ny jiro miaraka matetika.
Vonjy