Quantcast
Channel: Faits Divers – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

Jiolahy mpaka an-keriny : naiditra am-ponja ireo telo lahy voasambotra

$
0
0
jiolahy

Natolotra ny fampanoavana ireo telo lahy voasambotry ny zandary voalaza fa mpanao fanafihana mitam-piadiana sy mpaka an-keriny, ary naiditra am-ponja vonjimaika. Efa-dahy izy ireo, fa ny iray maty voatifitra. Voatifitra ihany koa ny fanintelony saingy efa nahazo fitsaboana, ary izao naiditra am-ponja izao.

Araka ny filazan’ny zandary, nanomana fakana an-keriny teny amin’ny garazin’ny antenimierandoholona Anosikely, izy ireo. Nanao ny velam-pandrika ny zandray Tana Ville sy ny Gsis. Ireo jiolahy nikasa hanafika Sinoa iray mipetraka eny Tsaralalana, saika ho any Chine. Nanaraka ny fiara 4×4 an’io sinoa io ny Scooter iray. Nisy iray hafa nanaraka nanampy ilay iray, teo Ambohijatovo avy eo. Teo Ankazotokana Ambanidia no saika hanafika, kanjo efa zandarin’ny Gsis nanao fanamiana sivily no tao. Tamin’izay no nahafaty ny iray. Nitsoaka ireo namany ka teny Androndra no tratra ny namany hafa. Basy P.A roa miaraka amin’ny bala valo tratra tany amin’izy ireo. Miandry ny fotoam-pitsarana azy izy telo lahy.

Yves S.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

Trending Articles



<script src="https://jsc.adskeeper.com/r/s/rssing.com.1596347.js" async> </script>