
Naiditra am-ponja vonjimaika ao Ambalatavoahangy Toamasina indray, omaly, ireo olona miisa 12 tamin’ireo 15 ambiny naman’ireo naiditra am-ponja, afakomaly. Nisy naman’izy ireo kosa namoy ny ainy, vokatry ny tifitra nahazo azy. Tsy mbola milamina hatreo…
Namoy ny ainy tao amin’ny hopitaly HJRA ilay raim-pianakaviana naratra mafy vokatry ny tifitra nandritra ny fifandonana tao amin’ny kaominina ambanivohitra Ampasimbe Manatsatrana, ny 14 oktobra 2016 lasa teo. Nandritra ny fotoana saika hametrahana tamin’ny fomba ofisialy ny ben’ny Tanàna HVM, Jacob Honoré no nitrangan’ny fifandonana satria tsy nanaiky amin’ny hanesorana ny ben’ny Tanàna teo aloha Iandro Julien, ny mponina tao an-toerana ka niafara tamin’ny fihetsiketsehana izany. Valo kosa ireo olona naratra notsaboina tao amin’ny hopitalibe Toamasina. Nentin’ny fianakaviany niakatra taty an-drenivohitra kosa ity raim-pianakaviana namoy ny ainy ity noho ratra mafy nahazo azy, saingy tsy avotra intsony ny ainy taorian’ny fitsaboana.
Nigadona omaly maraina tao Toamasina ny razana. Vory lanona marobe ireo zanak’Ampasimbe nitsena ny vatana mangatsiakan’ilay niharam-boina ka nihazo an’Ampasimbe Manatsatrana avy hatrany taorian’izay.
Tetsy ankilan’izay, naneho ny alahelony ireo vahoaka marobe amin’ny fahitana ireo nahavanon-doza sy tompon’antoka tamin’ny tifitra fa tsy nisy mihitsy ny fisamborana sy ny fanaovana fanadihadiana. “Mitongilana amin’ny fampiharana lalàna ny mpitandro filaminana sy ny fitsarana. Manan-jo hitifitra olona ve ireo sivily mpiambina an’i Honoré Jacob. Tsy ho vita moramora izao”, hoy ny fanazavan’ny solontenan’ireo vahoakan’Ampasimbe.
Mandeha koa ny feo, araka ny fanazavan’ny loharanom-baovao fa misy olona akaiky ity ben’ny Tanàna HVM ity ireo olona navotsotra .
Nitohy, omaly ny fakana am-bavany ireo voarohirohy…
Miisa 22 ny fitambaran’ireo olona naiditra am-ponja vonjimaika ao amin’ny fonjan’Ambalatavoahangy Toamasina, omaly izay voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny raharaha Ampasimbe Manatsatrana. Nitohy omaly maraina, araka izany, ny fakana am-bavany tao amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany teo anatrehan’ny mpitsara zokiolona ireo olona miisa 15 ambiny naman’ireo efa naiditra am-ponja, ny alatsinainy hariva teo. Mbola notazonina tao amin’ny borigadin’ny zandary ao Toamasina ireto olona 15 ambiny iret noho ny fielezan’ny feo tao Toamasina amin’ny mety hisian’ny korontana mandritra ny fanolorana ireo voampanga teny amin’ny fampanoavana.
Heloka anenjehana ireto voarohirohy ireto koa, ny fanoherana fampiharana didim-pitsarana, sakana sy fanakorontanana lanonam-panjakana sy fandratrana mpitandro filaminana eo am-panatanterahana ny asany. Teo koa ny fanimbana sy fandrobana fananan’olona.
Sajo sy J.C