
12 miliara Ar, fanampiana homen’ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetra andro, ny vondron’ny kaoperativa mpitatritra eto an-dRenivohitra sy ny manodidina sy any amin’ireo tanàn-dehibe hafa rehetra, Antsirabe, Toliara, Fianarantsoa, Mahajanga, Antsiranana, Toamasina. Fanampiana hatolotra manomboka ny 1 novambra 2016 hatramin’ny avrily 2017. Ny antony ho fitazonana ny saran-dalana 400 Ar. Nanambara izany, omaly, ny sekretera jeneralin’ny minisitera, Rajoelison Rado.
Hiandraikitra ny fizarana izany any amin’ireo mpitatitra ny ATT (Agence de Transport Terrestre). Nambarany ihany koa fa homena ireo mpitatitra ato anatin’ny 15 andro ireo trosa mbola tsy voaloa, 2 miliara Ar, ny taona 2015. Tsy afaka tena nilaza marina ny isan’ireo mpitatitra ireo ny ao amin’ny minisitera. « Homena araka ny isan’ny fiara miasa anefa ny fanampiana, ary tsy hitovy intsony ny vola homena azy ireo fa miankina amin’ny fanjifana solika isaky ny fiara tsirairay izay miasa », araka ny fanamafisan’ny sekretera jeneralin’ny minisitera azy. Ho azo antoka ve anefa ny tena fanamarinana izany rehetra izany amin’ireo kaoperativa ireo ? Iza sy firy marina ny tena mpitatitra ara-dalàna ?
Nilaza ihany koa ny ao amin’ny minisitera ny hisian’ny zotra vaovao hisokatra eto amin’ny manodidina, Tsarasaotra-Ivato, Ambohidratrimo, Ambohitrimanjaka sy By-pass.
R.Mathieu