
“Ny hanaovan’ny fitondrana fanambarana ofisialy fa tena nofoanana tokoa ny fitrandrahana ataon’ny Sinoa ao Soamahamanina, ny hamotsorana tsy misy hataka andro ireo namany notanana am-ponja…”. Ireo no nivoitra tamin’ny hetsika nataon’ny mponin’i Soamahamanina, omaly.
Nilamina amin’ny ankapobeny ny tohin’ny fihetsiketsehana nataon’ireo mponina tao Soamahamanina, omaly. Niatrana vao maraina teny an-toerana ireo kamiaobe sy fiara 4×4-n’ny Emmo/Reg nivezivezy manodidina ny tanàna. Tsena rahateo, omaly, ka nifanaretsaka ny mpiantsena. Na teo aza anefa izany, tsikaritra fa efa nifampihainohaino nanamorona ny arabe ireo olona sasany niandry ny fanombohan’ny hetsika. Tsy nisy rahateo ny mpitarika fa ireo mponina ihany no samy nifanentana. Tokony ho tamin’ny 11 ora sy 30 mn, raikitra ny fanentanana sy ny antsoantso tamin’ny alalan’ny megaphone. Hita koa ireo sorabaventy misy soratra hoe “Vona sy ny vahoaka mitaky ny famoahana ny namanay any am-ponja ary mitaky ny hanafoanana ny permis” nentin’ireo mponina. Nohamafisin’ny solontenan’ireo mponina hatrany fa mangataka amin’ny fanjakana izy ireo ny hamoahana haingana ireo namany naiditra am-ponja. Andrasan’izy ireo koa ny fanambarana avy amin’ny fanjakana milaza fa efa niala ao Soamahamanina ireo Sinoa ary tsy misy intsony ny fitrandrahana. Nilaza rahateo ireo mponina fa efa niala tao an-toerana ireo kamiaoben’ny Sinoa nanao fitrandrahana.
Nanahirana ny fidirana tao amin’ny kariera
Somary nanahirana ihany ny fidiran’ny mpanao gazety tao amin’ny kariera misy ny toeram-pitrandrahan’ireo Sinoa mba hanamarinana ny zava-boalazan’ireo mponina ao Soamahamanina raha efa niala tao tokoa ireo Sinoa na tsia. Nobahanan’ireo fiara 4×4 roa an’ny Emmo/Reg ny lalan’ireo mpanao gazety handeha hitsidika sy hanamarina ny zava-misy ao amin’io kariera io. Nangataka taratasy fahazoan-dalana amin’ny ahafahana miditra ao amin’ilay kariera ny manamboninahitra Kly iray. Nandeha teo ihany ny fifampiresahana sy ny fifanazavana ka tapaka taorian’izay fa solontena avy amin’ireo mpanao gazety ihany no afaka mandeha miaraka amin’ireo Emmo/Reg nandeha nijery ny zava-misy tao amin’ilay kariera. Raha ny hita tao an-toerana, tsy tao intsony ireo kamiaoben’ny Sinoa na iray aza. Tranolay vitsivitsy sisa tavela ao miaraka amin’ireo fitaovana vitsivitsy miampy fiara 4×4 double cabine iray. Hentitra ny fiambenana ity kariera ity sy ireo ambina fitaovana tavela ao. Raha ny hita omaly, zandary sy polisy no miambina izany ao an-toerana.
Hatramin’ny omaly, tsy fantatra mazava hoe nankaiza ireo fiaraben’ny Sinoa ireo. Araka ny tsilian-tsofina avy amin’ireo mponina sasany ao Soamahamanina, napetraka ao Arivonimamo, hono, aloha ireto kamiaobe ireto ary nilaza fa mbola hiverina hanohy ny fitrandrahana ireo Sinoa ireo. Tsy fantatra kosa anefa hoe rahoviana izy ireo no hiverina indray. Isan’ny mampitaintaina ny olona ao Soamahamanina izany. Manginy fotsiny ny fanenjehana sy ny fanaovana hazalambo na antoandro na alina ireo olona voalaza fa mitarika fihetsiketsehana.
Miteraka tsy fifampitokisana
Araka izany, lasa izany ireo Sinoa. Nanaiky niala mora sa efa nahazo tambiny ? Nahoana no niandrasana faharatrana sy fampidirana am-ponja ary niteraka lonilony eo anivon’ny fiarahamonina na ho fisaraham-bazana eo anivon’ny mpitandro filaminana ny raharaha vao nandray izany fanapahan-kevitra izany ? Azo inoana ve anefa fa tena fialana tanteraka izao ? Tsy mbola nisy rahateo fanambarana ofisialy avy amin’ny fitondrana, toy ny tsy fampahafantarana koa ny nahatongavan’izy ireo tany Soamahamanina. Tsy hita mitondra fanazavana ny minisitera mpiahy, ahitana ny tena mangarahara fa niala tanteraka ireo Sinoa. Resy tosika noho ny hetsi-bahoaka tokoa sa mbola hanao tampody fohy, ho avy toy ny mpangalatra ? Mety ho fisintahana ho fampitoniana fotsiny ihany noho ny hetsika tsy an-kiato nataon’ny vahoaka, efa nivonona sy nifanao dina fa tsy hanaiky hatramin’ny farany, na ho tonga amin’ny fampidirana am-ponja azy rehetra aza ? Mbola maizina tanteraka ny raharaha ary mampiahiahy… Miteraka tsy fifampitokisana.
Synèse R. sy JC ary Fano