Quantcast
Channel: Faits Divers – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

Mialoha ny fifanaraham-pirenena any Antsiranana : nanao hetsika sosialy ny JCI

$
0
0
JCI

 Manao hetsika maro ny JCI ho fankalazana ny faha-100 taony. Ankoatra ny « caravane » niainga avy Toliara, misy ny asa sosialy mifototra amin’ny mponina, indrindra ny mpianatra.  

Hetsika roa no nataon’ny mpikambana ao amin’ny fikambanana Jeune chambre internationale omaly tontolo andro. Nanome boky ho an’ny mpianatra ao amin’ny EPP Vontovorona hanampy ny efa ao amin’ny tranomboky ao an-toerana izy ireo. Fotodrafitrasa napetraky ny mpikambana ihany io. Nitohy teny amin’ny EPP Flacourt Ambavahadimitafo ny asa, ny hariva amin’ny fanadiovana sy fandokoana ny EPP. Hitohy amin’ny  « Tetikasa kilonga tomady » eny amin’ny EPP Masindray- Ambohimanambola ny hetsika, anio.

Etsy andaniny, hitondra tolotra ara-pahasalamana ho an’ny mponina eny Ambohipo sy ny mpianatra ao amin’ny EPP ny mpikambana ao amin’ny JCI Ilon’Iarivo sy ny JCI Mayendeleyo ao anatin’ny « Iray aina , iray vatsy », Andro iray atokana ho an’ny fahasalamana. Hisy ny fizahana ny zaza maimaimpoana sy torohevira momba ny fandrindram-piterahana.

Tafiditra amin’ny fanamarihana ny faha-100 taon’ny fikambanana JCI ny hetsika rehetra. Rehefa avy namakivaky ny lalam-pirenena fahafito, ary nandalo teto Antananarivo, hihazo an’Antsiranana izy ireo hanao ny fifanaraham-pirenena 2016.

Vonjy 


Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

Trending Articles



<script src="https://jsc.adskeeper.com/r/s/rssing.com.1596347.js" async> </script>