
« Matetika ny ratsy no hitan’ny olona ao amin’ny polisim-pirenena”, hoy ny Inspecteur principal Ralalasoa Monique, mpitarika ny vondrom-bavaka ao amin’ny minisiteran’ny Filaminana anatiny. Toy ny olon-drehetra ihany anefa ny polisy ary mivondrona anaty fikambanana. Manana vondrom-bavaka mihitsy ny polisim-pirenena izay tarihin’ity inspecteur ity.
Tsy mbola manana “Aumonerie” ity departemanta. Efa 12 taona kosa no nijoroan’ny vondrom-bacaka.
Mitety faritra ankehitriny ireo mpiandraikitra ity vondrom-bavaka eo anivon’ny minisiteran’ny Filaminana anatiny ity. Nandalo tao Ambatondrazaka ity tamin’ity herinandro ity. Ho any atsimon’ny Nosy indray izy ireo amin’ny herinandro. Tanjona ny hanangana vondrom-bavaka isaky ny foibem-paritry ny polisy ho fikolokoloana ny fanahin’ny polisy, raha ny fanazavana hatrany.
Rarivo