Quantcast
Channel: Faits Divers – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

Vonoan’olona tany Foulpointe : roa lahy voaheloka higadra an-terivozona 10 taona

$
0
0
DIGITAL CAMERA

 Nomelohin’ny fitsarana higadra an-terivozona 10 taona avy i Moussa Donné sy i Tefy Jeannot nandritra ny fotoam-pitsarana momba ny raharaha ady heloka bevava. Naharitra ora maromaro ny fitsarana ity raharaha ity teny amin’ny fitsarana. Marihina fa ny 26 avrily 2015 alina no novonoin’izy roa lahy ireo tamin’ny fomba feno habibiana tao Antanimena Morarano Mahavelona Foulpointe i Tsirivelo Marcellin. Enin-dahy izy ireo no voarohirohy tamin’ity vonoan’olona ka ankizilahikely tsy ampy taona ny iray amin’izy ireo, saingy tsy afa-bela kosa izy roa lahy ireo. Fantatra fa ady tany no nahatonga izao vonoan’olona feno habibiana izao. Vola 1 hetsy Ar isanisany avy anefa no karaman’izy ireo namonoana ilay raim-pianakaviana. Afaka noho ny fisalasalana avokoa, araka izany, ireo efa-dahy fa tsy namelan’ny fitsarana hatramin’ny farany kosa izy roa lahy voalaza etsy ambony ireo.

Sajo sy J.C


Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986


<script src="https://jsc.adskeeper.com/r/s/rssing.com.1596347.js" async> </script>