
Raha efa nidoboka eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy ny jiolahy raindahiny antsoina hoe i Fotsikely sy namany, saron’ny polisin’ny BC, sakelika fahefatra teny Andravoahangy ny asabotsy teo i Bera iray tarika amin’ireo jiolahy ireo…
Albert Sylvain, 45 taona ny tena anaran’ity jiolahy saron’ny polisy ity. Araka ny fanazavan’ny polisy, izy no mpanome vaovao ireo mpaka an-keriny sy ny mombamomba ilay olona. Voalaza fa mpiasa tao amin’ilay teratany karana nalaina an-keriny ihany i Bera. Fantatra fa raharaha roa ny nitondrana azy teny amin’ny fitsarana, omaly. Isan’izany ny raharaha fakana an-keriny sy ny fanafihana mitam-piadiana.
Nanamafy hatrany kosa ny polisy fa manoloana ny asan-jiolahy sy ny fakana an-keriny miseholany tato ho ato, nanao ezaka manokana ny sampana misahana ny heloka bevava eo anivon’ny polisim-pirenena amin’ny fanenjehana ireny tambajotran-jiolahy ireny. Nampiasa ny fahaiza-manaony tamin’ny alalan’ny fanangonam-baovao sy ny fanaraha-maso ireo andian-jiolahy indrindra koa ny fanarahana akaiky ny finday ampiasain’izy ireo.
Marihina fa efa tratran’ny polisy teny Ampefiloha, ny 1 aogositra 2016 teo ny jiolahy antsoina hoe Donatien, 28 taona izay iray tarika amin’i Fotsikely izay samy efa eny Tsiafahy avokoa. I Bera kosa ity tratra farany teny Andravoahangy ity. Izy ireo no tompon’antoka tamin’ny fakana an-keriny miisa telo teto an-dRenivohitra, fanafihana tobin-tsolika, fikasana haka an-keriny niseho teto an-dRenivohitra.
Manentana hatrany ny polisy amin’ny fanomezam-baovao raha misy trangan-javatra mampiahiahy eny anivon’ny fiarahamonina na koa hiantso ny 034 05 517 26.
Jean Claude