Quantcast
Channel: Faits Divers – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

Ambohimahitsy : kamiao tapaka hisatra nandona olona roa

$
0
0
accdent

Omaly maraina tokony ho tamin’ny 10 ora sy sasany, kamiao kely mpitaona biriky no tapaka hisitra, teny Ambohimahitsy, teo amin’ny Pk7+600. Araka ny fanazavana, nalefan’ilay mpamily tamin’ny sisin-dalana havanana ilay fiara teo amin’ny toerana atao hoe Ampasanirainivoalavo sangy tsy nijanona. Teo amin’ny vato maro milahadahatra amoron-dalana nadonan’ny mpamily vao tafajanona saingy nivadika. Olona roa teo amin’ny sisin’arabe voafaoka tamin’izany ka ny iray tapaka ny feny, ary ny faroa nipitika fotsiny ihany. Nandritra ny fitondran’ny olona ireo naratra tany amin’ny hopitalin’ny Akamasoa, nitsoaka ilay mpamily sy ny namany roa lahy. Tsy hita popoka izy ireo, ary karohina. Fantatra fa tsy ho sarotra ny hahita azy ireo satria fantatra ny tompon’ny fiara mampiasa azy ireo. Voasokajy ho fandikan-dalàna ny fitsoahana tahaka izao, ary mampitombo ny sazy mety ho azon’ny mpamily izany.

Yves S.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986


<script src="https://jsc.adskeeper.com/r/s/rssing.com.1596347.js" async> </script>