Quantcast
Channel: Faits Divers – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

Fialan-tsasatra : mbola be mpisafidy i Mahajanga sy Toamasina

$
0
0
????????????????????????????????????

Ankoatra ny mpiadina bakalorea sampana teknika izay miatrika ny andiany faharoa amin’ny fanadinana, ao anatin’ny fialan-tsasatra ny mpianatra rehetra. Toerana roa mbola be mpisafidy hiala sasatra i Toamasina sy Mahajanga, amin’izao fotoana izao. Maro amin’ireo fianakaviana no manofa fiara iray manokana mihintsy hitatitra mandritra ny fijanonana any amorontsiraka. Raha ho any Toamasina, 20 000 Ar ny vidin’ny toerana iray, miampy 10 000 Ar kosa raha mitohy hatrany Foulpointe ny dia. 70 000 Ar isan’andro ny hofan’ny fiara ka mbola miantoka ny solika hivezivezena ny mpanofa. « Ho an’i Mahajanga, 30 000 Ar ny saran-dalana isan’olona vokatry ny fiakaran’ny solika indroa miantoana », hoy ny mpamily iray. Tsy manararaotra ny fotoam-pialan-tsasatra fa mavesatra ho an’ny mpitatitra ny vidin’ny solika.

Feno avokoa ny ankamaroan’ny toeram-pandraisana olona any Mahajanga ary sahirana raha tsy nanao famandrihana mialoha ny mpiala sasatra. Ny indro kely, mampiakatra ny vidin-tsakafo avokoa ny trano fisakafoana rehefa vakansy tahaka izao. Mitovy amin’izay koa ny zava-misy any Toamasina.

Amin’ny ankapobeny, mandany hatramin’ny 1 tapitrisa Ar ny fianakaviana misy olona efatra rehefa hiala sasatra any amorontsiraka ka mijanona efatra andro any an-toerana.

Vonjy


Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

Trending Articles



<script src="https://jsc.adskeeper.com/r/s/rssing.com.1596347.js" async> </script>