
Nidoboka am-ponja, afakomaly ireo jiolahy raindahiny tompon’antoka tamina vaky trano teny Alasora, ny herinandro teo. Efa tapitra namidin’izy ireo avokoa ny entana rehetra…
Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny poste de police Ilanivato teny Manarintsoa Isotry, ny herinandro teo ireto jiolahy raindahiny ireto. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny polisy, nahazo loharanom-baovao izy ireo fa misy olona mivarotra entana halatra eny Ilanivato. Nandray fepetra avy hatrany tamin’ny alalan’ny vela-pandrika ny polisy ka lehilahy iray antsoina hoe Vazaha no tratra voalohany. Fantatra tamin’ny fanadihadian’ny polisy fa ny alin’ny alahady 24 jolay hifoha ny alatsinainy 25 jolay 2016 no namaky trano eny Alasora izy ireo. Groupe électrique, pompe à eau, convertisseur, batterie ary entana tao anaty baoritra maromaro ny lasan’izy ireo tamin’izany. Voalazan’izy ireo araka ny tatitra avy amin’ny polisy fa efa lafo avokoa ireo entana halatra ireo, afa-tsy ny groupe électrique sisa. Nohamafisin’ny polisy fa jiolahy raindahiny efa nigadra enim-bolana noho ny resaka halatra tany Ambatondrazaka, ny taona 2014 i Vazaha.
Jiolahy iray antsoina hoe Rasily, 30 taona koa tratran’ny polisy avy ao amin’ny boriborintany fahavalo eny Analamahitsy teny Manjakaray, ny alatsinainy teo. Mampihorohoro amin’iny faritra iny ity jiolahy ity, raha ny fanazavan’ny polisy. Mampitahotra olona anaty bar rehefa te hisotro zava-pisotro.
Jean Claude