Quantcast
Channel: Faits Divers – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

Iavoloha : taksiborosy nifandona tamin’ny taxi-be, ampolony naratra

$
0
0
Accident

Ampolony ireo mpandeha naratra mafy tamin’ilay lozam-piarakodia nitranga teny Iavoloha – By Pass, afakomaly hariva. Taksiborosy iray ho any atsimo no nifanehatra tamin’ny taxi-be  iray nikasa hijanona teo amin’ny fiantsonana. Voalaza fa tsy nahay nisongona ny mpamily ka tafanika teny amin’ny sisin’arabe ny kodiaran’ny fiara ka nivadika avy hatrany. Naratra avokoa ny ankamaroan’ireo mpandeha. Tao ny tapa-tanana aman-tongotra ankoatra ireo naratra teo amin’ny lohany. Tsy nisy kosa ny aina nafoy. Lasa nitsoaka avy hatrany ny mpamily rehefa avy namaky ny fitaratry ny fiara satria natahotra fitsaram-bahoaka. Nentina haingana teny amin’ny hopitaly ireo naratra taorian’izay. Nipitika avy eny ambony fitoeran’entana avokoa ny entana rehetra. Voafaoka ihany koa ny môtô Scooter iray. Araka ny fanazavan’ireo nahita ny fitrangan’ny loza, samy diso daholo na ilay mpamily taksiborosy na ilay mpamily taxi-be. Toerana isan’ny matetika ahitana lozam-piarakodia amin’iny faritra iny satria samy manao izay tiany hatao ny mpamily fiara. Tsy misy mpitandro filaminana manara-maso rahateo eny an-toerana ka tsy misy intsony ny fanajana ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana.

J.C


Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986


<script src="https://jsc.adskeeper.com/r/s/rssing.com.1596347.js" async> </script>