
Saron’ny zandary avy ao amin’ny poste avancé Soamanandrariny, ny alahady maraina teo teny amin’ny faritr’Andralanitra ireo olona telo voarohirohy ho nahatrarana toaka gasy 435 litatra. Amidin’izy ireo 5 000 Ar ny litatra…
Taorian’ny fitoriana nataona orinasa iray eny Andralanitra momba ny toearam-pivarotana toaka gasy no nahafahan’ny zandary nanenjika ireto mpanao trafikana toaka gasy ireto. Taorian’ny fanangonam-baovao rehetra, nangataka taratasy fahazoan-dalàna teny amin’ny fitsarana mba hahafahana manao ny fisavana ny tranon’ireto olona voarohirohy ireto ny zandary ka tamin’izany no nahasaronana ireo toaka gasy ireo. Trano miisa telo, araka izany indray nosavain’ny zandary. Toaka gasy 10 litatra no hitan’ny zandary tao amin’ny trano iray voalohany raha 5 litatra kosa tao amin’ny trano faharoa. Tao amin’ny trano fahatelo, toaka gasy tanaty bidao mavo miisa 21 izay miaty 20 litatra avy no saron’ny zandary.
Nohamafisin’ilay orinasa nametraka fitoriana teny amin’ny zandary fa miteraka korontana eo amin’ny manodidina ny fisian’ireo mpivarotra ireo satria manakorontana avy hatrany ireo olona avy misotro toaka ao amin’ireto mpivaro-toaka ireto.
Fantatra nandritra ny famotorana natao ireo olona telo tratra ireo fa avy any Ambositra ny toaka ary entina tsikelikely amin’ny taksibosory. 5 000 Ar indray ny amarotan’izy ireo ny litatra eny amin’iny faritra iny. Tsara ho marihina kosa anefa fa tsy eny amin’ny faritra misy an’ny Mompera Pedro akory no nahatrarana ireo mpanao trafika ireo ary tsy misy ifandraisany amin’ny Akamasoa tantanin’ity Mompera ity.
J.C