
Hanao ahoana ihany ny lalàna momba ny fifandraisana? Andrasana ny fanapahan-kevitry ny filohan’ny Repoblika amin’ny famerenana ny fandinihana io volavolan-dalana io. Hiantsoana fivoriana tsy ara-potoana hataon’ny parlemanta indray izany? « Azo atao ny miady hevitra amin’izany, raha ilaina na heverina fa mbola tsy ampy ny adihevitra natao », hoy izy tatsy Maorisy, ny 13 jolay.
Hisy ny hambom-po hanatanterahana izay nambara? Raha tsy izany, tsy hankato ny eo anivon’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) noho ny tsy fanajana ny And. 10 sy 11 amin’ny lalàmpanorenana, milaza ny fahalalahana maneho hevitra sy miteny, ny fahalalahana eo amin’ny fifandraisana, ny fahalalahana manao gazety. Eo koa ny fananan’ny tsirairay zo hahalala vaovao.
Lasa politika tanteraka ny raharaha
Na ahoana na ahoana, lasa politika tanteraka ny amin’io lalàn’ny fifandraisana io. Noho ny afitsoky ny mpitondra fa tsy inona: fanagejana ny fanehoan-kevitra sy ny fampahalalam-baovao, fitetehana hanafina izay tsy mety atao… Fanomanana ny fiatrehana ny fifidianana, taona 2018? Politika izay ho fanapahan-kevitry ny filohan’ny Repoblika eo. Tsy hampisy fitoniana ny fiziriziriana.
Mila manova ny fomba fiasa sy ny ataony ny mpitondra mbamin’ny manodidina azy, raha te ho marin-toerana: tsy matahotra fangaraharana, ohatra, raha vonona hanao ny tsara, tena mitsinjo ny tombontsoam-pirenena. Eo koa ny fiatrehana ny fifidianana hangarahara, azo antoka, eken’ny rehetra, fa tsy ho toy ny fifidianana ben’ny Tanàna sy ny fifidianana loholona feno hosoka sy hala-bato.
Hanao ahoana koa izay mety ho fanapahan-kevitry ny HCC, raha haroso hodinihiny ihany io lalàn’ny fifandraisana na lalàn’ny famoretana io? Saika politika hatrany ny fanapahan-keviny hatramin’izay. Misy aza milaza fa baikoin’ny mpanatanteraka io andrimpanjakana io. Hanao ahoana? Miantoka ny fahamarinan-toerana sy ny fitoniana politika ny raharaha.
Hotsarain’ny tantara eo na ny filohan’ny Repoblika, na ny HCC: tompon’antoka amin’izay hiseho anio na rahampitso.
Tsy maintsy manapa-kevitra izy ireo, fa tsy afa-kandrirarira lava ny raharaha.
R.Nd