Quantcast
Channel: Faits Divers – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

Nisandoka ho polisy, nikasa haka an-keriny : mpanao kidnapping roa lahy voasambotry ny zandary

$
0
0
kidnapping

Tratran’ny vela-pandriky ny zandary ny lehilahy iray nikasa haka vola ho takalon’ny fampitahorana haka an-keriny ankizy iray, teny Ambohimangakely, ny alarobia lasa teo, ka voasambotra soa aman-tsara. Olona iray hafa namany ihany koa nosamborin’ny zandary rehefa tratran’ny famotorana izy io.

Araka ny fanazavana, vehivavy iray mpivarotra no lasibatr’ireto andian-jiolahy ireto. Voalaza fa ananan’ny mpandraharaha vahiny vola 6 tapitrisa Ar ilay vehivavy io. Nalehan’ny telo lahy mitonona ho polisy tao an-tranony izy io, ary nolazainy fa misy fitoriana an-dravehivavy  ka tonga hisambotra azy izy ireo. Nangatahin’ireto farany vola anefa ilay ramatoa fa alamina  ny raharaha raha manome izy. Tsy nanaiky ilay vehivavy ka nanomboka teo ny fandrahonana nahazo azy.

Ny voaloha sy ny faharoan’ny volana jolay lasa teo, nahazo antso tamin’ny finday ilay renim-pianakaviana fa halaina an-keriny ny zanany raha tsy manome vola 2 tapitrisa Ar izy. Nitohy teny ny fandrahonana ka nametraka fitoriana teny amin’ny zandary teto an-drenivohitra ilay ramatoa. Natao ny vela-pandrika ka nolaizana fa manaiky ny hanomezana ny vola ho an’ireo jiolahy ity farany. Nomena ny fotoana ka noraisim-potsiny ilay saika haka ny volabe. Noterena io avy eo ka nanoro ny namany ary izao nisy voasambotra izao.

 

Mbola maro ny mpanao kidnapping karohina

Ankoatra ireto voasambotra ireto, mbola maro ny mpaka an-keriny karohina. Anisan’izany Rabokony na Rakotomamonjy Lalaina Richard. Ity farany izay namoahana didy fampisamborana sy fampilazana fikarohana mihitsy, saingy tsy mbola hita hatramin’izao. Anisan’ny raindahiny amin’ny fakana an-keriny, sy fikambanan-jiolahy izy ity. Ny vadiny no efa nitolo-batana teny amin’ny polisin’ny BC, fa izy kosa nanjavona. Ity tranga farany, misy roa lahy karohina, sady mbola nisandoka ho polisy ihany koa.

Karana iray ihany koa efa naiditra am-ponja ny herinandro teo, anisan’ny atidoha amin’ny kidnapping eto an-tanàna. Voatonontonona matetika amin’ny fakana an-keriny Karana izy io, ary nosamborina. Ny raharaha tany Toamasina farany teo no nangingina tsy nisy tohiny intsony. Nankaiza ilay mpitsara, sns?

Yves S.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

Trending Articles



<script src="https://jsc.adskeeper.com/r/s/rssing.com.1596347.js" async> </script>