
Hitsinjovana ireo ankizy mipetraka lavitra ny tanàn-dehibe, nanolotra fiara 15 nitondra ireo mpianatra nanala ny fanadinana CEPE, nihazo ny toeram-panadinany, ny avy eo anivon’ny kaominina ambonivohitra Antsirabe. Ankizy avy amin’ny fokontany 4 no nisitraka izany: ny avy eny Mandriakeniheny, Andrangy, Fiadanana, Mahatsinjo ary Tsivatrinikamo, izay somary misintaka ny tanànan’Antsirabe.
Ao an-drenivohitra avokoa mantsy ny ankamaroan’ireo toeram-panadinana 13 nandray ireo ankizy 6 890, niatrika ity fanadinana ara-panjakana voalohany ity.
Nizotra an-tsakany sy an-davany ny fanadinana, tao Antsirabe I, na mbola maro ihany aza ireo ankizy tara ny fiantsoana anarana. Nihena, tsy toy ny tamin’ny taon-dasa, kosa anefa ny isan’ireo mpianatra nanadino ny taratasy fiantsoana. Navela hiatrika ny CEPE ihany izy ireo rehefa voasoratra tao amin’ny lisitr’ireo mpiadina ka voamarina tsara. «Tsy afaka hanome tsiny ireo zaza ireo isika, amin’ny maha ankizy azy. Mety ho tratran’ny fanadinoana izy ireo vokatry ny fitaintainana sy ny hamehana», hoy ny lehiben’ny ivontoeram-panadinana. Anisan’ny nanampy betsaka ireo mpianatra ny niatrehan’izy ireo fanadinana andrana notanterahina 5 mey 2016. “Efa niaina izany atao hoe fanadinana izany izahay nandritra ny CEPE blanc, ka tsy dia natahotra intsony», hoy ireo ankizy.
Raha ny mahakasika ny fanadinana indray, ny tantara sy jeografia no tena nanahirana ireo mpiadina. Azoazon’izy ireo kosa ny lazaolana, tamin’ity, tsy toy ny tamin’ny taona 2015.
Raha tsy misy ny fiovana, hanomboka anio alakamisy ny fitsarana ireo taratasim-panadinana ary hivoaka ny fiandohan’ny herinandro ny valiny.
Vicky (Antsirabe)