
Noraisim-potsiny ireo jiolahy roa nikasa hivaro-drongony teny Ankazomanga, afakomaly alina. Nifanojo indrindra tamin’ny fisafoana nataon’ny polisin’ny UIR izy roa lahy voarohirohy ka tsy afa-nihetsika intsony. Niroso tamin’ny fisavana azy ireo avy hatrany ny polisy ka hita tany amin’izy ireo ny fonosan-drongony miisa 95 izay saika hamidy. Araka ny fanazavan’ny polisy, nentina ary natao famotorana teny amin’ny kaomisaria foibe Tsaralalana izy roa lahy tratra ireto. Nilaza ry zalahy araka ny tatitra nampitain’ny polisy hatrany fa rongony avy any atsimo ireo ary nokasaina haparitaka eto an-dRenivohitra. Tsy nety nilaza ny olona mpamatsy azy ireo kosa izy roa lahy voarohirohy ireto. “Misy anaran’olona miverimberina hatrany momba ny resaka zava-mahadomelina eny amin’ny faritr’Ankazomanga. Malaza ratsy rahateo amin’ny tsy fandriampahalemana iny faritra iny ka nandritra ny fisafoana nataonay no nahatrarana ireto jiolahy ireto”, hoy ny fanazavan’ny polisy. Faritra maro, araka izany, no sahanin’ny polisin’ny UIR eto an-dRenivohitra. Afaka miantso ny polisin’ny UIR amin’ny laharana 034 05 517 22 ho an’izay olona mahita tranga mampiahiahy eny anivon’ny fiarahamonina.
J.C