
Anjatony ny tanora nilahatra niandry ny fisokafan’ny salon des métiers et de la formation tao amin’ny Carlton Anosy, omaly maraina. 400 000 isan-taona ny tanora malagasy mitady asa nahavita fianarana, araka ny fanazavan’ny filohan’ny fikambanana Ny Hoavin’tsika mpikarakara ny hetsika, Rakoto Andrianarivelo Haritiana. 3 tapitrisa kosa ny olona manao asa tsy sahaza ny fari-pahaizany noho ny tsy fisian’ny tolotrasa mifanaraka amin’izay. Olana lehibe ho an’ny toekarena ny fanaovan’ny olona asa tsy mifanaraka amin’ny fari-pahaizana. « 80% ny mponina mivelona amin’ny asa madinika tsy manara-penitra ary tsy misy antoka amin’ny maha olona akory », hoy ny minisitry ny Asa, fampianarana teknika sy ny fiofanana araka ny asa, Raharimalala Toto Marie Lydia. Tsy mampiroborobo ny toekarena izany satria tsy mandoa hetra izy ireny. Tanjon’ny hetsika mandritra ny roa andro hampahafantatra ny tanora ny tolotrasa misy.
Andiany faha-10 ny salon amin’ity taona ity, maherin’ny 7 000 ny tolotrasa azon’ny mpitady asa nisafidianana nandritra ny andiany sivy voalohany. Manana tany 60 tapitrisa ha mbola azo hajariana isika ary entanina ny tanora hampiroborobo ny tontolo ambanivohitra. Eo koa ny fitrandrahana ny harena an-kibon’ny tany sy ny fivoaran’ny teknolojia vaovaon’ny fifandraisana. « Amporisihana ny sehatra tsy miankina handray ireo tanora malagasy hianatra asa ao aminy sy hanoro azy ireo ny lalana rehetra hahatafita azy », hoy ny vadin’ny filoha, Rajaonarimampianina Voahangy, izay reny mpiahy ny hetsika. 42 ny orinasa mampahalala ny tolotra omeny ary mahazo vahana teknolojia vaovao izay mandray mpiasa betsaka ankehitriny.
Vonjy A.