
Nidoboka eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy, omaly, rehefa avy natolotra ny fampanoavana i Tsifolahy na Ramaître sy Karana roa hafa izay tompon’antoka tamin’ny fakana an-keriny ny teratany karana iray antsoina hoe Rafik Fidahoussen. Teny akaikin’ny masoivohon’i Rosia eny Ivandry no nakan’ireto jiolahy ireto an’ity teratany karana ity, ny 21 jona 2016 lasa teo. Araka ny fanazavan’ny polisy misahana ny heloka bevava sakelika fahefatra, fiara P. 405 sy môtô no nampiasain’ireto jiolahy ireto. Nanokatra fanadihadiana ny polisy misahana ny heloka taorian’izay. Napetrak’ireo jiolahy teny amin’ny villa iray eny Soamanety Ambohidratrimo ity teratany karana ity. I Tsifolahy no niandry azy tao an-trano niaraka tamin’ny basy Kalachnikov iray miaraka amin’ny bala miisa 28. Saron’ny polisy tao an-trano, ny alahady teo ity jiolahy ity niaraka tamin’ireo fitaovam-piadiana ireo. Vola amina miliara maro no efa lasan’izy ireo araka ny fanazavan’ny polisy. Teo am-piandrasana ny ambim-bola kosa ry zalahy no tratran’ny polisy. Valo lahy nitondra basy Kalachnikov roa sy P.A iray isan’olona no naka an-keriny an’i Rafik.
Jean Claude