Quantcast
Channel: Faits Divers – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

Fanafihana teny Manjakaray : renim-pianakaviana iray maty notifirin’ny jiolahy

$
0
0
????????????????????????????????????

Tsy mifaditrovana ny jiolahy! Vaky trano sady fanafihana nataon’ny jiolahy nahavitany namono renim-pianakaviana iray, teny Manjakaray omaly tokony ho tamin’ny 2 ora maraina. Araka ny fantatra, telo lahy izy ireo nanafika tao amina toeram-pivarotana enta-madinika iray teny an-toerana. Novakian’ireo ny varavaram-by nidirany tao an-trano. Vehivavy mpianaka no tao an-trano ary tratran’ny rahom-bava sy basy mba hamoaka ny vola rehetra. Nanoro ilay renim-pianakaviana fa ao ambany ny vola, ka rehefa nandeha nitady izany ireo jiolahy no niantso vonjeo izy. Niverina ny iray ary nitifitra azy avy hatrany. Voa teo amin’ny tratrany ilay ramatoa ary maty tsy tra-drano. Ilay zanany kosa, tsy nihetsika tao anaty lamba ka tsy nataon’ireo jiolahy na inona na inona.

Finday roa, peratra volamena sy volafotsy, vola no lasan’ireo jiolahy tamin’izany. Niala moramora teny an-toerana ireo olon-dratsy taorian’ny fanafihana. Efa lasa elaela ireo vao sahy nivoaka ny manodidina, ary niantso ny polisy. Voalaza fa nahitana basy P.A iray tavela tao amin’ilay trano voatafika. Manao ny fanadihadiana ny polisin’ny BC 4.

Fanafihana teny Ankaditapaka

Nisy ihany koa ny fikasana hanafika teny Ankaditapaka ny alarobia tokony tamin’ny 2 ora maraina teo. Jiolahy maromaro nirongo fiadiana efa vonona ny hamaky ny trano iray teny an-toerana, saingy henon’ny tompon-trano ka afaka niantso ny manodidina. Niala moramora teny ireo olon-dratsy rehefa taitra avokoa ny rehetra. Nantsoina ny polisy saingy tsy tonga teny an-toerana.

Faritra anisan’ny mafana amin’ny asan-jiolahy eny Ankaditapaka sy Ankadifotsy, ary misy mihitsy ny faritra iverimberenany. Ny teo anivon’ny polisy nilaza fa efa nisy ny fiaraha-miasa amin’ny vaomieran’ny fandriampahalemana amin’izy ireo, kanefa tsy hita mijoro izany eny amin’ny fokontany maro eto an-dRenivohitra. Paik’ady napetraky ny polisy anefa io, mba hisorohana ny tsy fandriampahalemana, kanefa toa tsy misy volany akory. Miseho ny fanafihana etsy sy eroa eto an-dRenivohitra, mamono olona ny jiolahy. Aiza ho aiza ny andrimasom-pokonolona, ny fisafoana ataon’ny polisy isaky ny fokontany?

Yves S.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

Trending Articles



<script src="https://jsc.adskeeper.com/r/s/rssing.com.1596347.js" async> </script>