
Nitolo-batana teny amin’ny Brigade Criminelle Anosy, ny alarobia teo ary efa naiditra am-ponja, omaly, Raharimanantsoa Vololona (fa tsy Ravaka, araka ny nilazana azy tany am-boalohany), vadin-dRakotomamonjy Lalaina Richard, fantatra amin’ny anaram-bositra hoe Rabokona, na Léone. Ity farany, izay tafaporitsaka teny Soavina, ka mbola karohin’ny polisy.
Noho ny raharaha fakana an-keriny, fikambanan-jiolahy, fanafihana mitam-piadiana, namoahan’ny polisy filazana fikarohana ireto mpivady Rakotomamonjy Lalaina Richard sy Raharimanantsoa Vololona (fa tsy Ravaka), vao andro vitsy lasa izay.
Nokarohina teny amin’ny tranony teny Ambohimandroso i Leone na Rabokony mivady, ny 3 jona lasa teo. Tsy tratra anefa izy, izay voalaza fa efa nitsoaka niaraka tamin’ny vady aman-janany, niaraka tamin’ny entana maro tao an-trano. Taorian’izany no nanao ny filazana fikarohana ny polisy. Ny 7 jona, nisy olona eny Soavina niantso ny polisy rehefa nahita ny vavao tamin’ny gazety fa manofa trano ao aminy ireo olona mpivady karohina ireo. Nitolo-batana teny an-toerana ny polisin’ny BC (Brigade criminelle) Anosy saingy efa niala tao izy ireo. Ny ampitson’io anefa, ny 8 jona, nentin’ny tahotra ramatoakely, sady mbola noresen’ny fianakaviany lahatra ka nitolo-tena tany amin’ny BC Anosy izy sy ny reniny. Rabokony kosa anefa tsy hita popoka teo anoloan’izany.
Natao famotorana avokoa ireto mpianaka ary natolotra ny fitsarana omaly, ka naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora i Vololona. Foana ny filazana fikarohana azy ity, araka izany, fa ny an-dRabokony kosa mbola mitoetra hatrany. Karohina fatratra izy io sy ny namany, izay efa fantatra ihany koa ny momba azy ireo.
Mbola manentana hatrany ny mpitandro filaminana satria voararan’ny lalana ny fampiantranoona na koa firaisana tsikombakomba amin’ny fampandosirana olon-dratsy. Raha iretsy karohina aloha, tsy hita izay tany nanjavonany. Tsy fantatra na mbola eto an-drenivohitra sy ny manodidina na efa tafavoaka ny tanàna. Anisan’ny nampandrenesina ny momba ity jiolahy raindahiny ity ihany koa ny eo anivon’ny zandary.
Maro ny fakana an-keriny efa nataony
Araka ny fantatra, maro ny fanafihan-jiolahy nahenoana ny anaran’ity Rabokony ity. Anarana nahafantarana azy avokoa ny hoe Ramaitre, Bema, Leone, Rabokony na Grand. Miovaova arakaraka ny fanafihana ataony ny anarany, ary misy hatrany ireo andian-jiolahy miaraka aminy. Voatonontonona tamin’ny fakana an-keriny karana teny Andravoahangy izy. Ity raharaha ity izay voalaza fa nisy ny firaisana tsikombakomba tamin’ny Karana ihany, anisan’ny naniraka an-dRabokony sy ny tariny. Tompon’antoka tamin’ny fanafihana mitam-piadiana teto an-drenivohitra ihany koa izy.
Mandeha, araka izany, ny fikarohana an-dRabokony sy ny tariny, ary voasokajy ho jiolahy tena atahorana izy ary mitam-piadiana. Toe-javatra mety hitranga ny fifampitifirana eo aminy sy ny mpitandro filaminana raha ny toe-tsainy tsy mety voasambotra mora foana. Matetika rahateo, maty voatifitra ny hiafaran’ireo jiolahy raindahiny eto amintsika, rehefa tsy mitolo-batana.
Yves S.