
Mangataka ny tsy hamindrana intsony ny fiantsonan’ny zotra 192 eny Amoron’Ankona ny mponina amin’ny fokontany dimy : Ankazobe, Ambohipeno, Mahitsy, Amoron’Akona, Mahatsinjo. Manampy ny mponina (mpianatra sy mpiasa) ny fijanonan’ny taxi-be amin’ny fiantsonana amin’izao fotoana izao. Raha miditra amin’ny 7 ora sy 55 mn ny mpianatra ka miala ao an-trano amin’ny 6h30 maraina, tsy raisin’ny taxi-be avy eny Ambohimanambola na mandoa saran-dalna 500 Ar. Tsy zakan’ny ray aman-dreny izany. Vokany, ilaina mihitsy ny fijanonan’ny zotra 192 eo, araka ny fanehoan-kevitry ny mponina, omaly teny an-toerana.
Nohazavain’ny mpampiasa ny taxi-be fa ny zotra163 sy 194 samy mandeha amin’ny lalan’ny 192 avokoa nefa tsy mamaly ny filan’izy ireo.
Efa nisy fifampiresahana afakomaly fa tsy nanaiky mihitsy ry zareo ao amin’ny ATT misahana ny fitaterana an-tanety.
Nilaza kosa ny mpiandraikitra ny kaominina Alasora fa nandray andraikitra izy ireo ary nihaino ny fangatahan’ny mponina. Tokony tsy hafindra intsony ny fiantsonan’ny 192 eny Mandikanamana. Ao anatin’ny kaominina rahateo ny faritra iasan’ny 192. Tsy manaiky ny ATT izay nilaza fa mandika lalàna ny zotra 192. « Mbola handresy lahatra ny tomponandraikitry ny ATT ny mpitantana ny kaominina. Mandra-piandry izany, tokony tsy hovaina ny fiantsonan’ ny zotra 192 », araka ny fanazavan’ny lefitra voalohany ny ben’ny Tanàna, Randriantsoa Jimmy. Nanamafy nefa ny mpiasan’ny ATT, Razafimahenina, izay tomponandraikitry ny fotodrafitrasa, fa baiko no tanterahina. Nifarana omaly ny fahazoan’ny zotra 192 mitatitra hatreny Mandikanamana fa tokony hiverina amin’ny fiantsonana voalohany eny Mandroseza ny taxi-be rehetra. Nafindra intelo ny fiantsonana ka farany ny teny Mandikanamana. Efa nisy zandary roa mampatsiahy ny zotra 192 fa tsy afaka mampitohy hatrany Mandikanamana intsony izy ireo.
Vonjy