
Tsy fantatra na maty na velona ireo mpanjono roa lahy natelin’ny ranomasina tao Manakatafana Soanierana Ivongo, ny talata teo. Araka ny fampitam-baovao avy any an-toerana, miisa enina ireo mpanjono niaraka nandeha nanjono tamina lakana roa tamin’io fotoana io. Nony niverina nody anefa nivadika ho ratsy tampoka ny andro ka nampisamboaravoara ny onjan-dranomasina. Nitombo hatrany ny herin’ny ranomasina ka tsy naharesy tosika izany ny lakan’ireo mpanjono ka nivadika. Raikitra ny fifanjevoana teny ambony ranomasina. Avotra ireo mpanjono efa-dahy raha tsy hita kosa ireo roa lahy naman’izy ireo. Nanao izay ho afany tamin’ny fikarohana ireo namany, saingy tsy hita mihitsy izy roa lahy. Ny fitaovam-panjonoan’izy ireo kosa no hita natsingevan’ny ranomasina.
Fa efa hatramin’ny 28 mey 2016 no tsy hita popoka koa ny mpanjono iray zanaky ny sefom-pokontany ao Analankininina Hopitalibe Toamasina. Efa lany aiky tanteraka ny fianakaviany manoloana izay tsy fahitana azy izao ka hanomana tsangambato ho an’ity tovolahy mpanjono natelin’ny ranomasina ity. Nahatratra telo, araka izany, ny isan’ireo mpanjono an-dranomasina tsy hita popoka tao Soanierana Ivongo.
Sajo sy J.C