Quantcast
Channel: Faits Divers – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

Toamasina : tratran’ny polisy ireo jiolahy mpangalatra kaonteran’ny Jirama

$
0
0
Mpangalatra kaontera

Noraisim-potsiny! Niampy roa indray ireo tambajotran-jiolahy mpangalatra kaonteran’ny Jirama voasambotry ny polisy tao Toamasina, afakomaly. Tsy vitan’izay fa misandoka ho mpiasan’ny Jirama koa ireto jiolahy ireto…

 

Taorian’ny fitoriana napetraky ny orinasa Jirama no nahafahan’ny polisy nanenjika ireto jiolahy raindahiny amin’ny halatra kaontera ireto, araka ny tatitra avy amin’ny polisy. Voalaza fa tambajotra goavana mihitsy ry zalahy ireto. Halatra sy fisolokiana ho mpiasan’ny Jirama ary fanaovana hosoka sy fampiasana hosoka ny heloka anenjehana azy ireo. Fantatra nandritra ny fanadihadian’ny polisy, fa samy manana ny andraikitra manavanana azy ry zalahy ireto satria ao ireo mpanara-maso ireo olona mitady kaontera eo anivon’ny orinasa Jirama ka manatona azy ireny ary manome tolotra kaonteran-jiro halatra avy hatrany. Tsy mahalala na inona na inona rahateo ny mpanjifa sasany satria mihevitra fa tena mpiasan’ny Jirama tokoa ireto jiolahy ireto. Rehefa vita ny fifanarahana momba ny vidin’ny kaonteran-jiro, midina an-tsehatra indray ireo ekipa faharoa amin’ny fametahana azy any an-tokantranon’ilay olona nanaovana ny fifanarahana. Aorian’izay, rehefa tafapetraka ny kaonteran-jiro, manao ny asa manaraka indray ireo mody mitonona ho mpanara-maso avy aty Antananarivo amin’ny fisavana ny kaonteran-jiro napetraka isan-tokantrano. Ireto farany indray no mampitahotra ireo tratran’izy ireo amin’ny fandoavana vola hafa indray amin’ny filazana fa kaontera halatra no azon’izy ireo. Sady mahazo vola tamin’ny kaontera halatra, araka izany, ry zalahy nefa mbola mahazo vola amin’ny fampitahorana ireo tokantrano tratran’izy ireo.

Hatolotra ny fampanoavana, anio, ireto jiolahy tratra ireto izay anaovan’ny Jirama antso avo mba hisian’ny fiaraha-miasa amin’izy ireo sy ny fitsarana.

Sajo sy Jean Claude


Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

Trending Articles



<script src="https://jsc.adskeeper.com/r/s/rssing.com.1596347.js" async> </script>