Quantcast
Channel: Faits Divers – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

Fikaonandoha teny Ivato : milaza hanatsara ny asany ny polisim-pirenena

$
0
0
Polisy

Nifarana ny zoma teo teny amin’ny Sekolim-pirenena ambony ho an’ny polisy eny Ivato ny fikaonan-dohan’ny polisim-pirenena. Isan’ireo nisongadina tamin’izany ny fanatsarana ny fomba fiasan’ny polisim-pirenena…

 

Fehin-kevitra maromaro no tinapaka nandritra ity fikaonandohan’ny polisim-pirenena ity. Isan’izany ny fanatsarana ny fomba fiasan’ny polisim-pirenena sy ny fifampitondrana eo anivon’ny polisim-pirenena. Nivoaka tamin’izany koa ny fijerena manokana ny sosialin’ny polisy. « Azo zaraina roa ireo fehinkevitra tinapaka ireo ka misy ny azo tanterahina avy hatrany. Misy kosa ireo tsy maintsy miandry fotoana noho ny antony maro samihafa », hoy ny nambaran’ny minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Commissaire divisionnaire de police, Anandra Norbert izay tonga namarana tamin’ny fomba ofisialy ity fikaonan-doha ity. Nilaza izy fa hitondra ny fehinkevitra rehetra any amin’ny filoham-pirenena sy ny praiminisitra mba hahafahana mandray ny fanapan-kevitra rehetra momba izany. Nandray anjara tamin’ity fikaonandoha ity ireo tale sy ny lehiben’ny sampandraharaha ary ireo fikambanana eo anivon’ny polisim-pirenena. Nifantoka tamin’ny fametrahana sy fanamafisna ny soatoavin’ny polisim-pirenena ny lohahevitra tamin’ity fikaonandoha ity.

Miezaka tokoa, araka izany, ny eo anivon’ny polisim-pirenena manatsara hatrany ny fomba fiasany. Tsikaritra anefa tato ho ato fa misy hatrany ireo polisy mamo am-perinasa izay tsy mahatsiaro tena mihitsy izay aparitaky ny olona any anaty tambajotran-tserasera facebook ny sarin’izy ireo. Aiza ny fanajana ny soatoavin’ny polisim-pirenena rehefa am-perinasa toy izao ? Manaratsy ny fianakaviamben’ny polisim-pirenena rahateo ny fisian’ireo polisy tsy mahafehy tena toy izany.

J.C


Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986


<script src="https://jsc.adskeeper.com/r/s/rssing.com.1596347.js" async> </script>