Quantcast
Channel: Faits Divers – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

Fetin’ny Pantekoty – Alcootest : mbola nisy ireo mpamily nihoa-pefy mamo teo ambony familiana

$
0
0
????????????????????????????????????

Nanao izay ho afany ny zandary tamin’ny fandrindrana ny fifamoivoizana sy ny fanaraha-maso ny mpamily nandritra ny fetin’ny Pantekoty lasa teo. Nampiasa alcootest izy ireo ary nisy ihany ireo mpamily mamo teo ambony familiana…

 

Tsy maintsy nosintonina avy hatrany ny taratasy fahazoan-dalana mamily fiarakodia an’ireo mpamily mamo teo ambony familiana, araka ny fanazavan’ireo zandary nisahana ny fifamoivoizana teny amin’ny lalam-pirenena. Zandary avy ao amin’ny Cellule de remise aux normes eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fitaterana ireto nanao ny fanaraha-maso ireto.

Araka ny tatitra nampitain’ny zandary, ny asabotsy teo miisa 75 ireo mpamily nandalo fizahana. Miisa 15 ireo latsaky ny 0,4 ny fatran’ny alikaola ao anaty ra. Miisa dimy kosa ireo teo anelanelan’ny 0,4 sy 0,8 ny fatran’ny alikaola ao anaty ra raha telo kosa ireo mihoatra ny 0,8, izany hoe, efa mamo tampona ka tsy mahazo mitondra fiara intsony, araka ny fanazavana voaray.

Miisa 58 kosa ireo nandalo fizahana ny alahady teo ka sivy latsaky ny 0,4 ny fatran’ny alikaola tao aminy raha enina kosa teo anelanelan’ny 0,4 sy 0,8. Iray kosa mihoatra ny 0,8.

Midika izany fa nisy ihany ireo mpamily tsy nahafehy tena fa mamo teo ambony familiana.

Zandrina depiote iray koa nifanenjehan’ny zandary teny Analakely ny alatsinainy teo satria tsy nety nijanona nandritra ny sakana nataon’ny zandary. Nampiasa ilay sary saina kely manamarika hoe manampahefana izy. Sandoka fotsiny anefa ilay izy.

J.C


Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

Trending Articles



<script src="https://jsc.adskeeper.com/r/s/rssing.com.1596347.js" async> </script>