Quantcast
Channel: Faits Divers – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

Toamasina : fiaramanidina nianjera, naratra ilay Frantsay nitondra azy

$
0
0
Fiaramanidina2

 Nieren-doza na dia naratra teo amin’ny lohany aza ilay teratany frantsay raha potika kosa ilay fiaramanidina laharana ULM 974 UMF nianjera tao amin’ny faritra « Zes » ao Toamasina, omaly tamin’ny 8 ora sy 30 mn maraina. Araka ny loharanom-baovao voaray avy any an-toerana, tonga teo amin’ny seranam-piaramanidina Ambalamanasy Toamasina, ny alahady teo raha niala avy any amin’ny Nosy La Réunion ity fiaramanidina ity. Dominique Bruno, manamboninahitra zandary efa misotro ronono teratany frantsay no nitondra azy ka izy ireny no tao anatiny. Omaly maraina, nikasa hanainga tao Toamasina ity fiaramanidina ity ary hihazo an’i Mananjary. Raha ny fanazavana voaangona, efa manana drafitra fisidinana “plan de vol” ity fiaramanidina ity, saingy tsy mbola nomena fahazoan-dalàna hisidina. Tsy nanaiky anefa ilay vazaha mpanamory, kanjo vao tratran’ny olana ara-teknika tao amin’ny motera vao niainga kelikely tao amin’ny seranam-piaramanidina. Vokany, tsy afa-niverina teny amin’ny seranam-piaramanidina Ambalamanasy intsony ka voatery tsy maintsy nilatsaka teny amin’ny toerana heveriny fa malalaka. Voalaza fa efa nikasoka tamin’ny rindrin-tranon’olona ny kodiarany iray ka tapaka ary izay no nampivadibadika azy. Taorian’ny fianjeran’ity fiaramanidina ity, nahazo baiko ny zandarimariam-pirenena ao Toamasina ary tonga haingana teny an-toerana niaraka tamin’ny prefet-n’i Toamasina niaro ilay fiaramanidina.

Na teo aza izany, tsy kely lalana ny ratsy satria lasan’ny ireo jiolahy ny boaty farmasia sy sakaosy iray lehibe tao anatiny.

Ara-dalàna avokoa, araka izany, ny antontan-taratasy rehetra tany amin’ity zandary frantsay ity, saingy tsy fantatra mazava izay tena antondiany teto Madagasikara. Mitohy ny fanadihadiana ataon’ny zandary ao Toamasina.

Sajo sy Jean Claude


Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

Trending Articles



<script src="https://jsc.adskeeper.com/r/s/rssing.com.1596347.js" async> </script>