Quantcast
Channel: Faits Divers – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

Taxi-be Soamira sy Fifiabe : 62%-n’ny fiara nahitana tsy fahatomombanana teknika

$
0
0
????????????????????????????????????

Nahitana tsy fahatomombanana ny 62% amin’ireo fiara taxi-be notsirihina teny amin’ny foibe fitsirihana teknika eny Ampasampito, araka ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny ATT, Rakotondrazaka Andry, omaly.

Mbola nohamafisin’ny lehiben’ny foibe taorian’ny fitsirihana ny taxi-be amin’ny zotra Fifiabe sy Soamira fa tsy tomombana avokoa ny 62% amin’ireo fiara notsirihina, araka ny fepetra noraisin’ny ATT sy ny minisiteran’ny Fitaterana. Amin’ny ankapobeny ny resaka hisatra no olana misongadina satria tsy manaraka ny fenitra teknika ny fanamboarana rehefa simba ka tsy mateza. Ho an’ny andiany voalohan’ny fiara notsirihina, efa niverina niasa avokoa izy ireo rehefa vita ny fanamboarana. Ho an’ny andiany faharoa, 60%-n’ny taxi-be notsirihina tsy afa-miasa koa fa mila fanamboarana maromaro. 60 ny fiara notiliana, 14 avy amin’ny Soamira, 44 ao anatin’ny kaoperativa Fifiabe. Hita taratra izany fa tsy manana ny fenitra teknika ahafahany mitatitra olona avokoa ny ankamaroan’ny taxi-be nefa miasa ihany ka mitera-doza.

Mifanindran-dalana amin’ny fitsirihana teknika ny fampiofanana ny mpamily sy ny mpanampy azy. Ankoatra ny lafiny teknika, jerena akaiky koa ny fitaovana ao anatin’ny fiara, seza mialoha ny fanomezana ny fahazoan-dalana hiverina hiasa indray. Hitarina amin’ny zotra rezionaly sy nasionaly ny fitsirihana teknika hisorohana ny loza.

 

Hanara-maso ny mpamily nofanina ny ATT

Hanao fanaraha-maso eny ifotony ny mpiasan’ny ATT amin’ireo fiara notsirihina sy ny mpamily nahazo fiofanana. Hotombanana ny fampiharana ny lesona azo nandritra ny  fiofanana.

Nanamafy ny tale jeneralin’ny ATT fa tsy nofoanana mihitsy ny CIR fa novana fotsiny ny rafitra ao aminy. Miompana amin’ny fitaizana amin’ny lafiny fifamoivoizana ny asany.

Vonjy


Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986


<script src="https://jsc.adskeeper.com/r/s/rssing.com.1596347.js" async> </script>