
Nanao hetsika ho fanoherana ny fanisana ny mpivarotra, karakarain’ny kaominina Antananarivo Renivohitra ny mpivarotra ao amin’ny tsenan’Andravoahangy, omaly hariva. Nitondra sora-baventy izy ireo, naneho ny heviny manoloana ny fanisana misy fandrika araka ny voalazan’ny mpitondra teny, ny delegué-n’ny mpivarotra ao amin’ny tsenan’Andravoahangy, Raharijaona Arson. Tsy fanisana no ataon’ny kaominina fa fifanarahana manery ny mpivarotra hanaiky ny fandaminana sy fepetra apetraky ny mpitantana ny tanàna. Mpivarotra efa niasa an-taonany maro teo Andravoahany ireo, ka tsy mangataka toerana araka ny fifanarahana noteren’ny kaominina atao.
Roa volana no nipetraka teny amin’ny tsena sy ny manodidina ny peta-drindrina amin’ny teny frantsay manazava ny fanisana ny mpivarotra. Fepetra tsy maintsy hirosoana izany hitadiavam-bola any amin’ny mpanohana vahiny, hoy ny valin-tenin’ny kaominina rehefa nidinika niaraka amin’ny delegué-n’ny mpivarotra izy ireo. Nametraka sora-baventy manodidina ny tsenan’Andravoahangy ny mpivarotra ary nesorin’ny lehiben’ny tsena izany afakomaly hariva. Tonga nanotrona ny solontenan’ny mpivarotra tao Andravoahangy ny avy any Ambohimanarina, Soamanantombo, Petite Vitesse, Pochard, Namontana. Samy nilaza ny tsy fanekena ny fanisana mifono fitaka avokoa izy ireo.
Nisantarana ny fanisana ny mpivarotra eny amin’ny tsenan’Anosibe ary manomana hetsika fanoherana koa ny mpivarotra sasany. Anisan’ny fepetra hapetraka ny fampiakarana ny haba 100% izay tsy maintsy eken’ireo nanaiky ny fanisana nataon’ny kaominina.
Tokony ho ny mpivarotra tsy ara-dalàna eny amoron-dalana no halamin’ny kaominina fa tsy ny ao anaty tsena indray no korontanina, hoy ny fanehoan-kevitra, omaly.
Vonjy A.