Quantcast
Channel: Faits Divers – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

Toamasina : olona roa nahatrarana rongony 16 kg

$
0
0
rongony

Voasambotry ny polisy tao Tanamakoa Toamasina, ny herinandro teo, ny raim-pianakaviana  60 taona sy renim-pianakaviana iray voarohirohy ho nahatrarana rongony milanja 16 kg. Voalazan’ny polisy fa impito voasambotra tamina raharahan-drongony izy, saingy tsy nijanona tamin’izany fa izao tratra izao indray koa. Efa mpamerin-keloka mihitsy izy satria tsy mijanona ela any am-ponja. Tamin’ny alalan’ny loharanom-baovao no nahafahan’ny polisy nisambotra azy. Tsy nijanona fa mitohy hatrany taorian’ny nahatrarana azy, ny fikarohana nataon’ny polisy ka tratra tamin’izany koa ny renim-pianakaviana iray niaraka tamin’ny rongony 500 grama.

Nanamafy rahateo ny polisy fa tsy milefitra amin’ny fanapariahana ireo karazana zava-mahadomelina ao Toamasina. Mitohy hatrany, araka izany, ny ezaka ataon’ny polisy amin’ny famongorana ny asan-jiolahy sy ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina.

Sajo


Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

Trending Articles



<script src="https://jsc.adskeeper.com/r/s/rssing.com.1596347.js" async> </script>