
Tao anatin’ny iray andro omaly, nandeha ny feo fa nirehitra ny Lycée Moderne Ampefiloha, omaly. Niparitaka hatrany anaty tranonkala ny resaka, ary nampifandraisin’ny olona tamin’ny fitokonan’ny mpampianatra Fram teny Ampefiloha teny. Efitra iray ao amin’ny LMA anefa no nirehitra vokatry ny fipoahana herinaratra. “Valin-drihana no nirehitra vokatry ny fipoahana herinaratra. Niteraka afo sy setroka be io, tsy maintsy navoaka ny mpianatra noho ny aroloza, ka izay no nampisahotaka tety an-toerana. Vetivety ihany anefa dia voafehy ny afo ka tsy niitatra tamin’ny efitra hafa”, hoy ny fanazavan’ny tompon’andraikitra teny an-toerana.
Tonga teny Ampefiloha ny mpamonjy voina, izay tonga maro noho izay firehetan’ny LMA izay. Nitangorona rahateo koa ny olona teny aamin’ny manodidina, hatramin’ny mpianatra nahita ny setroka be niakatra.
Tsy nisy, noho izany, ny ankizy naratra na may tamin’ity firehetana efitra iray ity. Voafehy rahateo ny afo ka tsy nanimba zavatra be loatra. Nilaza ny tompon’andraikitra mba tsy ho taitaitra manoloana ny toe-javatra tahaka izao, indrindra ny ray aman-drenin’ny mpianatra. Manararaotra rahateo ny sasany entina hanakorontanana ny sain’olona, indrindra ny fampidirina ny raharaha amin’ny politika. Ny olona rahateo efa mora taitaitra daholo.
Randria