
Atsy ho atsy, hiova endrika ny eny ambany “Arcade” raha ny fampanantenan’ny kaominina Antananarivo tamin’ny alalan’ny delegen’ny boriborintany voalohany. Efa manomboka ny fanadiovana tsikelikely ny eny an-toerana.
Nesorina avokoa ireo mpivarotra tsy ara-dalàna teny ambany “Arcade” rehetra, nanomboka ny alarobia teo. Taorian’izay, niditra an-tsehatra ny sampana mpamonjy voina nanadio tamin’ny ranobe.
Tafiditra ao anatin’ny fandaminana sy fanatsarana ny endriky ny tanàna ny hetsika. Tsy mbola mazava kosa ny endrika vaovao sy fanatsarana entina.
Teo aloha, maloto ary fatorian’ny tsy manan-kialofana ny “Arcade” sasany tsy mihidy. Tsy mamonjy toeram-pivoahana ihany koa ireo mpatory an-dalana, fa eny amin’ny sisin’ny “Arcade” ihany no manao maloto.
Maimbo ary tsy azo diavina ny sisin’ny “Arcade” rehefa maraina ny andro. Mamafamafa ny toerana ivarotany ireo mpivarotra avy eo.
Manantena fiovana tsara sy fahadiovana, araka izany, ny mponin’Antananarivo amin’ireo “Arcade” etsy Analakely.
Tatiana A