
Tokony hanana fahazarana manamarina ny aretina tazo amin’ny olona mizaha fahasalamana ka tratran’ny fanaviana ny mpitsabo. Maimaimpoana ny fitiliana sy ny fanafody ACT eny amin’ny CSB sy ny hopitalim-panjakana.
Tsy ny fanaviana sy ny mafana hoditra rehetra dia midika fa voan’ny aretina tazo ny olona iray. Ilaina ny manamarina ny fisian’ny aretina amin’ny alalan’ny fampiasana ny Test de diagnostic rapide (TDR) ahafahana mitsabo. « Raha diso ny famantarana ny soratraretina mahazo ny marary, tsy mahomby ny fitsaboana omen’ny mpitsabo. Eo koa ny fanaovana « résistance » (tsy fandairan’ny fanafody eo amin’ny vatan’ny marary) eo amin’ny marary toy ny nitranga amin’ny fanafody chloroquine teto amintsika, rehefa nampiasaina amin’ny olona tsy tratran’ny tazo akory ilay fanafody », hoy ny fanazavan’ny mpiandraikitra ny fitsaboana ny tazo ao amin’ny minisiteran’ny Fahasalamana, dokotera Rakotonirainy Hortense, omaly teny Antaninarenina. Tokony hanana fahazarana manao ny fitiliana (amin’ny TDR hatrany) ny tazo aloha ny mpitsabo rehetra vao manome ny fanafodyACT (artémisinine). Nametraka fiaraha-miasa amin’ny mpitsabo tsy miankina, ny farmasia ary ny toeram-pivarotana fanafody ny minisiteran’ny Fahasalamana izay tohanan’ny PSI sy ny sampandraharahan’ny Firenena mikambana momba ny fahasalamana (OMS) ny taona 2014 (tetikasa Unitaid). Nomena fiofanana momba ny maha zava-dehibe ny fampiasana ny TDR izy rehetra ireo. Novatsiana TDR amidy amin’ny vidiny mirary koa, satria efa misy ny mpanohana ara-bola ny tetikasa. Efa ao anatin’ny politika nasionaly momba ny ady amin’ny tazo ny fampiasana ny TDR sy ny fanomezana ny ACT, mila manaraka ny rafitra ny sehatra tsy miankina misahana ny fitsaboana. 30%-n’ny vahoaka no manatona ny mpitsabo tsy miankina rehetra isehoan’ny fanaviana. Taorian’ny fametrahana ny fiaraha-miasa, nahatratra 34% ny fampiasana ny TDR teny amin’ny sehatra tsy miankina.
Antony fahasivy mitarika amin’ny fahafatesana eny anivon’ny hopitaly ny tazo, ny taona 2013 raha nitana ny laharana voalohany izy, ny taona hatramin’ny taona 2009.
Vonjy