Quantcast
Channel: Faits Divers – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

Manomboka mangatsiaka ny andro : mamely ny kohaka sy gripa

$
0
0
mangatsiaka

Namirifiry ny andro teto Antananarivo sy ny manodidina omaly tontolo. Tafidina hatrany amin’ny 18°C ny mari-pana ambany indrindra. Nahatsiaro ho nangatsiaka avokoa ireo rehetra nivoaka ny trano maraina ary tsy nisava izany hatramin’ny hariva.

Fotoana mampirongatra ny gripa sy ny kohaka ny vanim-potoan’ny mampisara-taona toy izao raha ny filazan’ny dokotera. Mila manampy hery fiarovana araka izany mba tsy hampandamaka am-pandriana ka hitarika havizanana be ny gripa.

Tokony hatao isan’andro ny fihinanana sakafo mitondra hery fiarovana toy ny voankazo masaka sy tsara sasa. Atao mafana tsara ny zazakely sy ny ankizy madinika izay tsy maintsy hivoaka ny trano.

Ilaina ihany koa ny fahazotoana misotro rano mafana mba tsy hampiditra ny hatsiaka sy ny rivotra any anaty kibo ka hitarika hatramin’ny mandoa sy marary kibo avy eo. Fadiana ny sakafo mavesara sy saro-devonina mba hanamorana ny fiasan’ny vavony.

Ankoatra ireo, mila mihetsiketsika ny vatana, manao fanatanjahantena fa manampy betsaka amin’ny fikorianan’ny ra izany ary mampafana ny vatana ihany koa.

Tatiana A


Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

Trending Articles



<script src="https://jsc.adskeeper.com/r/s/rssing.com.1596347.js" async> </script>