Quantcast
Channel: Faits Divers – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

Marais Masay – Ankorondrano : potika ilay fiara kely nifandona tamin’ny fiara 4×4

$
0
0
ACCIDENT

Tafankina tamin’ny fefy manamorona ny lalan’i Marais Masay mihitsy ilay fiara 4×4 nifandona tamin’ny fiara kely iray teny Ankorondrano omaly tolakandro. Araka ny fanazavan’ireo olona nahita ny fitrangan’ny loza teny an-toerana, avy any Ankorondrano hihazo an’Andranobevava ireo fiara ireo, ilay fiara 4×4 teo aloha no notringisin’ilay fiara kely avy aoriana rehefa tsy nahita ilay dongona fampihenana ny hafainganam-pandehan’ny fiara ny mpamilin’ilay fiara kely. Vokany, nifatratra teny amin’ilay fiara 4×4 ity farany ity. Mafy ny fifandonana satria tafahodina mihitsy ilay fiara kely nitrongy raha tafapitika kosa ilay fiara 4×4. Tsy nisy kosa ny aina nafoy fa potika tanteraka ny lohan’ilay fiara kely.

Tsy vao izao fa matetika ahitana lozam-pifamoivoizana amin’iny lalan’i Marais Masay Ankorondrano iny. Maro amin’ireo mpamily fiara mandeha amin’iny lalana iny no tsy mahafehy sy tsy mahita ireo dongona fampihenana ny hafainganam-pandeha mipetraka amin’iny lalana iny. Misy amin’ireo tanora mpisetrasetra amin’ny môtô sy fiara koa mazàna mahita loza amin’iny lalana iny.

J.C


Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

Trending Articles



<script src="https://jsc.adskeeper.com/r/s/rssing.com.1596347.js" async> </script>