Quantcast
Channel: Faits Divers – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

Fianarantsoa : toaka gasy 247 litatra saron’ny polisy

$
0
0
?????????????

 Voasambotry ny polisin’ny Fip ao Mahazengy Fianarantsoa, ny 6 avrily 2016 lasa teo ireo olona dimy mianadahy voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny fahatrarana toaka gasy 247 litatra. Araka ny fanazavan’ny kaomisera Rafaliarivo Jules, tratra tao anaty fiara lehibe iray niainga avy any Fandriana ireto toaka gasy ireto izay saika hihazo an’i Fianarantsoa. Nahazo loharanom-baovao ny polisy momba ireo olona sy ilay fiarabe nitondra ireo toaka ireo. Voalaza fa toaka saika hamatsiana sy haparitaka tao Fianarantsoa ireto tratra ireto. Nametraka ny paikady sy ny sakana teny amin’ny lalana mialoha ny hidirana ny renivohitry ny Betsileo ny polisy ka noraisim-potsiny ireo olona tompon’antoka tamin’izany. Hita tao anatin’ilay fiarabe tokoa nandritra ny fisavana ireo toaka maro nokasaina haondrana an-tsokosoko. Notsinjaraina tanaty bidao miisa sivy miaty 20 litatra avy sy tanaty tavoahangy plastika maromaro ireto toaka gasy tratra ireto. Nogiazan’ny polisy avy hatrany ireo toaka voarara ireo. Nanamafy hatrany kosa ny komisera Rafaliarivo Jules fa mba hametrahana ny fandriampahalemana ho an’ny tanàna, aoka ny rehetra izay manam-baovao mba hiantso hatrany ny polisy fa mijanona ho tsiambaratelo hatrany ny mpanome loharanom-baovao.

Betsaka ihany izay toaka gasy saron’ny mpitandro filaminana izay, saingy tsy naharitra sy nahafoana azy izany fa vao mainka aza mihamitombo hatrany ireo mpanao trafika. Any amin’iny faritra iny rahateo no isan’ny toeram-pamokarana ny toaka gasy. Manoloana izany, nangataka ireo olona misehatra amin’ity asa ity mba hampanaraham-penitra ny fanamboarana izany.

Sajo sy J.C


Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

Trending Articles



<script src="https://jsc.adskeeper.com/r/s/rssing.com.1596347.js" async> </script>