Quantcast
Channel: Faits Divers – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

50 000 ny Fram mbola tsy mpiasam-panjakana : tsy tokony hampiditra Fram vaovao ny EPP,CEG ary lycée

$
0
0
FRAM 6 avril

 Afaka dimy taona vao hovoaray ho mpiasam-panjakana avokoa ny mpampianatra Fram 50 000 efa am-perinasa, amin’izao fotoana izao. Eo am-piandrasana izany, tsy miditra an-tsehatra intsony amin’ny Fram vaovao raisin’ny sekolim-panjakana ankoatra ireo ny minisitera mpiahy.    

Tsy azon’ny EPP na CEG na lycée intsony ny mampiditra mpampianatra Fram vaovao araka ny didy navoakan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ny taona 2014 lasa teo. « Mbola eo am-pandraisana ny mpampianatra Fram 50 000 ambiny efa am-perinasa ny minisitera amin’izao fotoana izao, ka tsy afaka hisahana ny vaovao raisin’ny sekolim-panjakana », hoy ny fanamarihan’ny tale misahana ny mpiasa ao amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, Rabeandalana Sandrot, omaly teny Anosy. Raha voatery mandray mpampianatra Fram vaovao ny sekolim-panjakana, anjaran’ny ray aman-dreny sy ny sekoly ny manakarama azy fa tsy misy idiran’ny minisitera intsony. Indraindray, miditra an-tsehatra ny mpiandraikitra ny kaominina na ny solontenam-panjakana ao an-toerana mandoa ny karaman’izy ireny.

12 amin’izao fotoana izao ny Cisco tsy manana mpampianatra Fram intsony, satria efa tafiditra mpiasam-panjakana avokoa. Anisan’izany ny Cisco Antananarivo Renivohitra, Sainte Marie, Kandreho… Mitohy ny fandraisana mpampianatra ho mpiasam-panjakana ho an’ny taona 2016. Hivoaka amin’ny faran’ny volana izao ny lisitra misy ny anaran’ireo mpampianatra Fram 10 000 tafiditra ho mpiasam-panjakana. Vita ny fanadiovana ny lisitra niainga avy eny ifotony any amin’ny Cisco afa-tsy i Melaky noho ny olana amin’ny lalana vokatry ny orana.

Fepetra nandraisana azy ireo ny faharetany teo amin’ny fampianarana, ny taonan’ilay mpampianatra ary ny mari-pahaizana ananany. 87 isaky ny Cisco ny isan’ny mpampianatra Fram noraisana ho an’ny taona 2016. Hatramin’ny taona 2014 nanombohana ny fampidirana ho mpiasam-panjakana ny Fram, 30 000 no voaray, 50 000 sisa manaraka. Handray ny asa maha mpiasam-panjakana azy ireo 10 000 amin’ny taom-pianarana vaovao 2016-2017.

 

Employé de courte durée

Nisy ezaka manokana nandraisana ny mpampianatra 45 taona no ho miakatra. « Employé de courte durée (ECD) » ny anarana entiny satria tokony mahavita asa 15 taona aorian’ny nidirana ho mpiasam-panjakana vao misitraka ny vola fisotroan-dronono aty aoriana.

Vonjy A.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

Trending Articles



<script src="https://jsc.adskeeper.com/r/s/rssing.com.1596347.js" async> </script>