
Nivatravatra sy avo feo toy ny fanaony. « Tsy ekenay ny hampanginana ny Raharaha Anjozorobe noho ny resa-bola », hoy i Tsimiondra Tomasy. Nambarany fa efa miomana amin’ny dingana manaraka izy ireo izao. Tsy niandry ela koa anefa ny valin-kafatry ny fianakaviana, efa nanambara ny firavonan’iny raharaha iny.
« Tsy raharaha tsotra ity fa raharaham-panjakana. Inona no antony tsy hiresahana azy io intsony ? Tsy azo ampitahorina amin’izany izahay… Tsy hilamina sy tsy hangina amin’io izahay satria novonoina fahatany ny zanakay ka tsy ekena… Tsy hoe hilamina io rehefa vidim-bola… Misy adidy sy andraikitra tsy maintsy horaisina manomboka izao », hoy izy tamin’ny mpanao gazety, tetsy Besarety, omaly. Nohitsiny fa misy resaka kolikoly ao ambadik’izao raharaha niniana nampanginina izao. « Mividy olona ny mpitondra… Nisy fitoriana nataon’i Yrmand momba ny nahafaty io rahalahiny io ka nahoana no tsy entina eny amin’ny fitsarana ? Aiza io fitoriana io… ? Namidinao ny ran’ny rahalahinao ? » hoy ny fanontaniany.
Momba ireo mitonona ho fikambanana zanaka Antandroy na Androy, nahitsy ny fanehoan-keviny fa mpivadibadika izy ireny. « Tsy mijoro amin’ny fotokeviny fa lamokany…. », hoy ihany i Tsimiondra Tomasy.
Vonona hifanatrika amin’ny Jly R. Florens
Manoloana ireo rehetra ireo, nilaza ny ho vonona hanao sorona ny tenany sy hitarika vahoaka hanehoana ny fitiavan-tanindrazana izy ary nihantsy tsotra izao mihitsy ny lehiben’ny CIRGN, Analamanga. « Latsaka an-katerena ny firenena noho ny lainga sy ny famafazana lainga…Tsy mila lakrimozena aho fa basy no tokony hitifiran’ny Jly Rakotomahanina Florens ahy… Tsy azo sakanana ny tsy hiteny aho fa ataovy ny ataonareo…. Moramora ianareo zandary fa efa betsaka ny zava-niseho teto », hoy izy.
Nambarany fa hampahafantarina izao tontolo izao ity « Raharaha Anjozorobe » ity ka nilazany fa hampiakarina eo anivon’ny Fitsarana iraisam-pirenena momba ny ady heloka bevava (CPI) izany. « Ampy izay…. Tsy holazainay ny ho tohin’ny hataonay manomboka eto », hoy ihany i Tsimiondra Tomasy.
Mampisara-bazana i Tsimiondra
Nitondra valin-kafatra avy hatrany ny ray aman-dreny sy ny fianakavian’ny maty tamin’iny raharaha iny. « Tsy mankasitraka io fanambarana io izahay ary tsy tompon’andraikitra koa satria efa natao ny fomban-drazana sy ny fampihavanana. Fampisaraham-bazana ny zanak’Androy ny ataony. Tompon’andraikitra amin’ny mety mbola hiseho izy satria efa nandray ny andraikitra amin’ny fitadiavana sy ny fikarakarana ny razana izahay », hoy i Yrmand sy ny fianakaviany tamin’ny antso an-telefaonina nifanaovana taminy, omaly. Nohamafisiny fa tsy tokony horesahina intsony io « Raharaha Anjozorobe » io. Hivory rahateo ny fianakaviana anio ary hihaona amin’ny mpanao gazety tsy ho ela.
Synèse R.