
Antoky ny fivelaran’ny sain’ny ankizy ny fampianarana ao amin’ny kilasy garabola « préscolaire ». Raha ao amin’io kilasy io no mandringa ny fampianarana, mampibirioka ny ankizy ary mety hanimba ny hoaviny mihitsy izany.
Fotoana fanokafana ny vavahadin-tsain’ny ankizy ny préscolaire. Mitaky mpampianatra efa tena ampy traikefa sy mahafehy tanteraka ny fitaizana ankizy sy mahay mampita ny fahalalana fototra ho an’ny ankizy madinika, araka izany, io kilasy io.
Manomboka telo taona ny ankizy mianatra amin’ny préscolaire. Ny mpampianatra no tena miandraikitra feno ny 80%-n’ny fiainan’ilay zaza mandritra ny tontolo androny rehetra. Ny maraina vao mifoha sy amin’ny hariva sisa no fandraisan’anjaran’ny ray aman-dreny any an-tokantrano.
Miantoka betsaka ny fivelaran-tsain’ny zaza araka izany ny any an-tsekoly ka tsy tokony hatao ambanin-javatra ny fahaizan’ny mpampianatra mamolavola ireny ankizy madinika ireny.
Hentitra rahateo ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena amin’ireo sekoly mampiasa mpampianatra tsy nahavita fiofanana akory ary tsy manana fahazoan-dalana hampianatra velively kanefa mampianatra sy mikarakara ankizy any an-tsekoly.
Betsaka amin’ireo sekoly miorina etsy sy eroa no tsy manana fahazoan-dalana akory. Torak’izany ny mpampianatra ao aminy, tsy niofana ho mpampianatra fa olona tsy manana asa no notsimponina hampianatra ka lasa manimba ilay ankizy ampianariny. Mila mailo araka izany ny ray aman-dreny mampana-janaka.
Antony nanaovan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena fiofanana ireo mpampianatra préscolaire amin’izao fotoana izao izany. Anisan’ny efa nahavita ny fiofanana ny tao amin’ny Cisco Ambohidratrimo ny faran’ny herinandro teo.
Naharitra 10 andro ny fiofanana izay nikatsaka hatrany ny fanatsarana ny fampianarana any amin’ny kilasy garabola. 50 ireo mpampianatra avy amin’ny sekoly rehetra, miankina amin’ny fanjakana, miahy tena ary ny sekolim-pinoana eo Ivato nandray anjara. Nahafantatra ny fahalalana fototra tokony hampitaina amin’ny ankizy madinika ireo mpampianatra ary notolorana mari-pahaizana ofisialy ho marika fa mpampianatra ara-dalàna izy ireo.
Tatiana A