
Ho fanatsarana ny fanangonana ny vaovao rehetra momba ny fahasalamana, nanolotra fitaovana informatika ho an’ny fari-piadidiam-pahasalamana amin’ny farityra sivy iasan’ny tetikasa Passoba fahasalamana ny Unicef, omaly teny Ambohidahy. « Ilaina ny fahazoana vaovao haingana sy marim-pototra hitondrana ny asa fitsaboana sy fisorohana ny karazan’aretina maro ka tonga amin’ny fotoana mahamety azy ny fitaovana », hoy ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Andriamanarivo Lalatiana. Manohana ara-bola ny tetikasa ny Vondrona eoropeanina amin’ny sorabola 112 miliara Ar nanomboka ny taona 2012 ary hifarana amin’ny 2016, araka ny fanazavan’ny solontenany eto amintsika, Antonio Sanchez-Benedito. Betsaka ny asa vita tao anatin’ny telo taona, fanokafana ny CSB maromaro nihidy vokatry ny tsy fahampian’ny mpiasa sy ny fitaovana, nahazo fiofanana rahateo ireo mpiasa ireo, famatsiana fanafody ny toeram-pitsaboana rehetra amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa amin’ny Salama, ivontoerana mpanafatra fanafody eto amintsika.
Niantefa amin’ny olona 9 tapitrisa mahery ny vokatsoan’ny tetikasa, izay mahasahana ny 43%-n’ny Malagasy.
Natokana ho an’ny fianakaviana sahirana ny tolotra amin’ny Passoba fahasalamana. Nahafa-po ny vokatra azo tao anatin’ny telo taona, izay mbola hitohy hatramin’ny 2016. Ho an’ny fiaraha-miasa amin’ny Salama, afaka roa taona vao hitsahatra ny fanohanan’ny Vondrona eoropeanina.
Vonjy