Quantcast
Channel: Faits Divers – NewsMada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

Fanararaotam-pahefana : mpitandro filaminana manambaka tantsaha

$
0
0
Tongolo 22 sept

 Velon-taraina ireo mpamboly tongolo ao amin’ny kaominina Antanimeva sy Befandriana Atsimo, distrikan’i Morombe amin’ny fihetsika ataon’ny mpitandro filaminana amin’ireo tantsaha ao an-toerana. Sompitry ny tongolo eto Madagasikara ity toerana ity ankoatra ny ao Mampikony sy Ankazoabo. Voalaza anefa fa tsy dia nahita fianarana loatra ny ankamaroan’ireo tantsaha, hany ka manjakazaka tanteraka ireo  mpitandro filaminana manampatra fahefana. Manao fisafoana ao an-tanàna ireo mpitandro filaminana sady manara-maso ireo tantsaha nahalafo tongolo ka manery azy ireo hanome vola. Araka ny fijoroana vavolombelona nataon’ny raim-pianakaviana iray, mody samborin’ireo mpitandro filaminana fa hoe nangalatra ny tantsaha iray rehefa hitan’izy ireo fa nahazo volabe tamin’ny fivarotana tongolo. Teren’izy ireo hanome volabe araka izay tadiaviny ilay olona fa raha tsy izany, ny aina no manefa, araka ny fitantaran’ilay niharam-boina. Manoloana izany, matahotra ireo iharan’ny fanendrikendrehana ka manaiky tsy fidiny ny hanome vola izay tadiavin’ireo mpitandro filaminana ireo.

Manoloana izany, manao antso avo amin’ny tompon’andraiki-panjakana ireo tantsaha mba hijery akaiky ity raharaha ao Antanimeva sy Befandriana Atsimo ity fa mijaly ny tantsaha amin’ny afitsok’ireto mpitandro filaminana ireto.

J.C


Viewing all articles
Browse latest Browse all 24986

Trending Articles



<script src="https://jsc.adskeeper.com/r/s/rssing.com.1596347.js" async> </script>