![]()
Nitrangana fanafihan-dahalo nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika nahaverezana omby miisa 70 tao Ekonda, Ambatosoavolo, kaominina ambanivohitr’Antanimora, distrikan’Ambovombe, ny 9 jona alina teo. Vokany, dahalo roa indray maty voatifitra. Naharay fanairana noho ity fanafihana ity ny zandary sy ny tafika ary ny fokonolona ka nanao avy hatrany ny fanarahan-dia. Niambina teo amin’ny kizo manodidina antsoina hoe Tsivihine […]