
Tsy mbola feno tanteraka ny isan’ireo ben’ny Tànana eto amin’ny faritra Analamanga. Misy mantsy ny fifidianana tsy maintsy mbola haverina.
Raha ny fantatra dia ny Cenit ihany no hiandraikitra ny fikarakarana ireo ny fifidianana tsy maintsy haverina. Na dia efa tapitra aza mantsy ny andraikiny dia tafiditra tsara anatin’ny asany, mialoha ny fitsaharany ireo fifidianana naverina. Tsy mbola fantatra kosa ary tsy nofaritan’ny Taf izay daty hanaovana ny famerenana ny fifidianana. Heverina fa miandry ny voka-pifidianana rehetra eran’ ny faritra vao hanapaka izany ny Cenit.
Ho an’ny faritra Analamanga, Itasy sy Bongolava ary Vakinankaratra dia 12 no isan’ny biraom-pifidianana nofoanana ny vokatra. Tsy averina kosa anefa ny fifidianana ao amin’ireo biraom-pifidianana ireo fa dia haverina ho toy ny tsy nisy ny latsa-bato. Tsy maintsy averina ny fifidianana ao amin’ny kaominina Antakavana ao amin’ny distrika Ankazobe sy ny kaominina Alarobia Ambatomanga ao amin’ny distrikan’i Manjakamandriana.
Didy navoakan’ny ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana (Taf) nandritra ny famoahana ny voka-pifidianana ofisialy ny faran’ny herinandro lasa teo izany. Tsy nanome ny antony mazava ireo mpitsara fa kosa nanambara mazava fa na dia tsy nisy aza ny fitoriana dia nandray fanapahan-kevitra ny Taf raha nahatsikaritra hosoka na tsy fetezana.
Ny kaominina Alarobia Ambatomanga dia nahitana fitsimbadihana voka-pifidianana. Tsy nitovy ny navoakan’ny vaomiera mahaleo-tena misahana ny fifidianana (Cenit) sy ny voarakitra ny alin’ny 31 jolay.
Maro ny lesoka nandritra ny fifidianana tamin’ny 31 jolay lasa teo. Manantena ny rehetra fa ho arenin’ny Cenit araka izay azony atao ireo fifidianana averina, mialoha ny hitsaharany tanteraka amin’ny andraikiny.
Nadia