
Maloto tanteraka ny tanànan’i Toamasina, ny fako mivagongo, ny rano mihandrona, lobolobo etsy sy eroa.
Vokatr’ ireo, mirongatra izaitsizy ny valan’ aretina tazo, ho an’ny fandraisana manokana momba ny ankizy, efa tsy ampy ho an’ny marary ny fandriana , ilaharana ny fivarotam-panafody ivelan’ny hopitaly, tsy maharaka ny ao amin’ny hopitalim-panjakana. « Miverina indray ity karazana tsimokaretina antsoina hoe « Arbovirose » mahafaty sy mora miparitaka ity », hoy ny mponin’ i Toamasina. Efa ho roa volana ny nisehoan’ny tranga voalaza izay mitondra sery sy kohaka miampy mafana hoditra sy fanaitainana manerana ny vanin-taolana rehetra.
Vokany, nampiantso mpanao gazety manoloana ny resabe ataon’ny olona momba ny tsimokaretina voalaza etsy ambony izay efa nandripaka olona maro, teto Toamasina, nandritra ny taona 2006, ny ekipan’ny teknikan’ny talem-paritry ny fahasalamana (DRS) Atsinanana. Nambarany fa tsy mbola nahitana soritraretina « dengue » na « chikungunia » eto Toamasina na mirongatra aza ny tazo mahery. Efa nisy fitiliana nalefa tany amin’ny Institut Pasteur de Madagascar, izay milaza hatrany tao anatin’ny fito herinandro nanaovana ny fanaraha-maso, fa miiba (négatif (-) avokoa ny valin’ny fitiliana natao. Tsy nandà ny fisian’ny aretina vokatry ny tsimokaretina ateraky ny loto sy ny fako mameno tanàna ireo mpitsabo ireo. Voazala fa miakatra ny tarehimarika voarain’izy ireo, satria nahatratra 2.500 (manodidina ny 90 isan’andro) teo ny olona tratran’izany nandalo teo anivon’ireo CSB sy ny hopitaly.
Ho an’ireo dokotera tsy miankina mandray ireo marary vokatr’ity tsimokaretina mahery be ao Toamasina ity, tsy mifanalavitra amin’ny fomba fitrangan’ny “dengue” sy ny chikungunia” ny fitrangan’ny aretina miseho amin’ny marary manatona azy ireo.
Sajo