
Mbola hitan’ny polisy tao an-tranon’ireo vehivavy roa ny fromazy lany daty sady efa simba tanaty baoritra miisa 644 nandritra ny fisavana ny tranon’izy ireo, ny alakamisy teo. Amidin’izy ireo 1200 Ar ny iray boaty…
Tratran’ny polisy avy ao amin’ny boriborintany voalohany teny Isotry izy roa vavy ireto izay voarohirohy ho mpanaparitaka sy mivarotra entana lany daty. Fromazy, biskoy, katsaka anaty boaty. Ireo ny santionany tamin’ireo entana lany daty tratra tany amin’izy ireo. «Nandray ny andraikiny avy hatrany ny polisy taorian’ny fitarainana nataon’olona maromaro izay milaza fa mangana sy mamparary ny fromazy marika FRONY. Vokany, tratra teo am-pivarotana teny Isotry izy roa vavy ireto », hoy ny fanazavan’ny polisy. Tratra niaraka tamin’izy ireo ny entana efa simba miisa 10 baoritra. Hita tao an-tranon’izy ireo nandritra ny fisavana nataon’ny polisy ny fromazy efa simba sy lany daty izay natao tanaty baoritra miisa 644. Nilaza ireto voarohirohy ireto nandritra ny fanadihadiana nataon’ny polisy fa 1 200 Ar ny hamarotan’izy ireo ny iray boaty raha latsak’izay kosa ho an’ireo mbola hivarotra.
Eny Tanjombato no hakan’izy ireo ny entana amin’ny vidiny mora, raha ny fanazavan’izy roa vavy tamin’ny polisy. Eny Isotry, Analakely, Andravoahangy kosa ny toerana fivarotany ireto entana hosoka ireto miampy ireo mpivarotra mandehandeha.
Niaiky izy roa vavy fa mamatsy ny mpivarotra sy ireo mpaninjara madinika.
Tsy azo antoka intsony, araka izany, ireo entana avy any ivelany miparitaka eto amintsika ireny. Aoka ho mailo satria efa hain’ireo mpamongady ny mametaka ny marika eo ivelany amin’ny hahafahana mihinana ireny sakafo ireny. Tsy kely lalana ny ratsy satria zary lasa fanariam-pakon’ny avy any ivelany ny fisian’ireo sakafo lany daty mitobaka eto amintsika ireny.
J.C