
Nametraka sora-baventy sy naneho ny tsy fahafaliany manoloana ny biraon’ny fokontany ny mponina ao amin’ny fokontany Anketa, ny 20 febroary teo, noho ny fanampenan’ ny ramatoa iray ny lakan-drano manary rano mankany an-dranomasina. Fotodrafitrasa efa tamin’ny taona 1935 ity lakan-drano ity, mamakivaky ny tanànan’Anketa. Fokontany efatra mahazo tombontsoa avy amin’izany : Anataravay, Anketa Voalohany, Anketa Bas ary Tsongobory.
Io no tatatra famoahan-drano ao an-toerana hialana amin’ny tondra-drano mpahazo ny fokontany amin’ny fotoana fahavaratra. Hatramin’izao, tsy ahitam-bahaolana ity raharaha ity ka izao miafara amin’ny fitokonana izao ary hiitatra ambonimbony, raha mbola tsy misy ihany ny fandraisana andraikitry ny fanjakana. Marihina fa efa niakatra fitsarana ity raharaha ity nefa tsy nahazo rariny ny mponina ao Anketa. Mbola ao anatin’ny tokotanin’ilay ramatoa ireo fantsona fandehanan’ny rano nesorin’ny vadintany iray, araka ny filazan’Atoa Jean Noel, solontenan’ny fokonolona.
“Fandrahonana sy fampihorohoroana no mahazo ny vahoaka izay manohitra ny ataon’ity ramatoa ity”, hoy ny filazan’ny mponina ao an-toerana. Tsy atokisan’ny olona ny fitsarana fa na ny zavatra iankinan’ny aim-bahoaka aza, tsy ahazoana rariny ka miafara amin’ny fitokonana toy izao. Azo haverina amin’ny laoniny ity tatatra ity amin’ny alalan’ny asa tana-maro mba hialana amin’ny fahadoboan’ny tanàna.
CMS